Politique

Fitondrana Rajoelina Hiaraka amin’ny tatsinanana ?


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Tonga nitsena ny delegasiona sinoa izay notarihin'ny praiminisitra lefitra misahana ny filankevi-panjakan'ny Repobika entim-bahoakan'i Chine,

 

 

 

Rtoa Sun Chunlan, izay manatanteraka iraka ofisialy eto Madagasikara ny praiminisitra, lehiben'ny governemanta Ntsay Christian sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta ny 04 novambra lasa teo.Mialohan’io efa nanatrika ilay fihaonana an-tampon’i Afrika sy Rosia tany Sotchi Rosia ny filoha Rajoelina ; manampy izay tsaroana tsara ny fanontaniana tampoka nataona mpanao gazety masoivohona orinasam-pampahalalam-baovao vahiny iray eto Madagasikara tamin’i Andry Rajoelina nandritra ny propagandy hoe : moa va anisan’ireo kandida tohanan’ny Rosianina ianao ? Tsy namaly mo aizy tamin’izay fotoana izay. Sao kosa ary efa mitodika amin'i Chine sy Rosia mihitsy i Madagasikara fa hiala amin'ny tandrefana izany hoe ireo mpiara-miasa mahazatra toa ny Frantsay, Amerikanina, Alemana, … ? Raha miala amin`ireto farany mantsy dia tsy maintsy miala amin`ny mpamatsy vola mahazatra toy ny banky iraisam-pirenena na koa ny tahirim-bola iraisam-pirenena… Izany hoe, hisaraka amin`ny frantsay sy ny amerikanina. Sanatria ve mety fifanarahana nataon-dRajoelina mialoha ny fifidianana izany ? Ary inona koa no tena antony nisafidianan’i Andry Rajoelina sy ny Mapar an’ i Ntsay Christian ho praiminisitra taorian’ny hesika nataon’ireo depiote TIM sy MAPAR na ny D73 tamin’ny herintaona ka nampirodana ny fitondrana HVM ? Avy eo mbola io voatazona ho praiminisitra io ihany izy.  Matoa mifandray amin’i Madagasikara ireo firenena maneran-tany dia hitan’izy ireo fa stratejika ny toerana misy ity nosy ity, mbola malalaka, manana harena an-kibon’ny tany tsara kalitao isan-karazany ka anisan’ireny ny solika, volamena, vato sarobidy isan-karazany.Ekena fa ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fisokafana amin’ny firenena maro, saingy ny atahorana raha mitohy ity fomban’ny fitondrana Rajoelina ity dia ho tezitra ihany ny tandrefana ny farany, ka hampiato tanteraka ny fanampiany antsika, eny fa na dia ireo tetikasa momba ny fiahiana ny maha olona aza, izay tena mbola ilain’i Madagasikara hatreto aloha. Raha nisafidy ny hiatsinanana tokoa ny fitondrana Rajoelina, moa ve azony antoka fa hanohana tokoa an’i Madagasikara ny Rosianina, Sinoa na firenena Arabo manakarena fa tsy sanatria ho avy eto fotsiny ka hitsetsika ny harem-pirenena.Ary ny tena zava-doza dia raha sanatria ka hifanandrina eto ny tandrefana sy ny tatsinanana dia ho latsaka afovoany i Madagasikara ka ho sanatria ho lasa firenena rotiky ny krizy sy ny ady tahaka an’i Irak, Libya sy Syria.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT