Rehefa dinihina dia toy ny miteny hoe: “henoy izany ry hazon-damosiko” ny fanjakana HVM manoloana ny antso avo sy ny fanairana sesilany nataon’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara).
Maro ny fanairana sy ny tsindry bokotra momba ny zavatra tsy mety, indrindra ny fahalovana sy ny kolikoly eto amin’ny firenena, saingy ny eo ihany no eo. Fitaka sy lainga marivo tototra no iainana ka very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy maro an’isa, hoy ny FFKM tamin’ny fehin-kevitry ny fivorian’ny komity foibe tany Antsirabe ny 23-26 novambra tamin’ny taon-dasa. Efa maro ny fanairana natao tamin’ny komity foibe faha-38-39, kanefa toa mitoriteny an-tany efitra ny FFKM, ka mila fiovam-penitra mahery vaika ny fitondrana ny firenena. Novakiany bantsilana ny fanaovana ampihimamba ny haino aman-jerim-panjakana. Ny vaovaon’ny antoko no mibahan-toerana, ka tsy mahazo afa tsy izay ny olom-pirenena, hoy ny FFKM. Ny omaly tsy niova no niseho, ka ny TVM aza no nivoizana vaovao miendrika fandranitana adim-poko sy nentina nanalam-baraka olona iray tamin’ilay vaovao momba an’i Marc Ravalomanana ny 7 janoary lasa teo. Manamafy ny fanambarana navoakan’ny FFKM ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) nandritra ny Synoda lehibe faha-138 notanterahany tany Betafo-Antsirabe ny 18-19 desambra 2017. Efa tena manjaka loatra ny ratsy, ny kolikoly eto amin’ny firenena ka tsy maintsy miteny izahay, hoy ny FLM. Hentitra ary tena mahitsy ny fanambarana, ka anisan’ny nivoitra ny hoe : tsy mangarahara ny fampiasana ny volam-panjakana ka mifangaro ny asan’antoko sy asam-panjakana, tsy mifanaraka amin’ny foto-pisainana Malagasy ny fandaharam-panabeazana terena hapetraka eto. Ny fiangonana katolika moa dia toy ny efa natsangan’ny HVM ho fahavalo mihitsy tamin’ireny raharaha Soamahamanina ireny satria tsy nankasitraka ny fitrandrahana volamena nataon’ny sinoa. Niangavy ny fanjakana mba hihaino am-panetren-tena ny feon’ny fiangonana ny FFKM satria efa tena marary ny vahoaka, ary tsy ny vahiny no tokony hahazo vahana eto amin’ny tanin’ny Malagasy. Toa tsy henoina sy karazan’ny atsangan’ny HVM ho fahavalo ny fiangonana, izay tsy mikoso-maso eo anatrehan’ny tsy mety. Hilaza ve ny HVM fa mandainga ny fiaingonana eo anatrehan’ireny famakiana bantsilana ny zavatra tsy mety?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.