Politique

Fitondrana Rajaonarimampianina Tsy ampy solika


  • Alakamisy 24 Aprily 2014

Hatreto aloha dia haingam-piasa, mavitrika fihetsika ny governemanta Kolo Roger ary manao tohivakana ny fiarahabana sy fankaherezana azy amin'ny asa makadiry miandry azy.

 Singanina manokana eto ny tontolon'ny fampianarana satria raha ny fahenoana ny nambaran'ny minisitra Paul Rabary omaly dia voafehiny tsara io minisitera goavam-be io ary efa manana tondrozotra mazava hanarenana sy hanatsarana ny fampianarana eto Madagasikara ny tenany. Manampahaizana manokana momba ny fiarahamonina, havanana amin'ny famakafakana ara-politika, mahafantatra tsara ny zava-misy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, tena be fanakianana ny fitondrana rehetra nifandimby teto Madagasikara  ity minisitra ity ka andrasan'ny  olona fatratra izay hataony.

Isaky ny mandre ny firesaky ny praiminisitra sy ireto minisitra miara-miasa aminy dia tahaka ny hahavita fahagagana tampoka izany izao fitondrana izao. Hatao itsy, hovitaina izatsy, misy ny mpamatsy vola, hisy zavatra hiova eto ato anatin'ny enim-bolana, herintaona, roa taona. Raha mba tanteraka tokoa moa izany dia mahavelom-bolo, saingy mampametra-panontaniana ihany ny mampitombina ny kabary atao satria tsy azo adinoina fa ratsy fototra ity fitondran'i Hery Rajaonarimampianina ity, ary tena diso famindra hatrany am-boalohany.

Ahoana moa izany no handaminana ny Antenimieram-pirenena izay fahefana mpanao lalàna, samy milaza fa manana ny maro an'isa ny Mapar sy ny PMP, tsy manaiky lembenana ny tsy miankina. Iza marina no tena maro an'isa eny Tsimbazaza, iza no vondrona parlemantera manohana ny fitondrana ary iza no manohitra ? Nisy ve sa tsy nisy ny fifanarahana miafina teo amin'ny filoha Rajaonarimampianina sy ny fanjakana Frantsay ? Inona no tena hevitry ny Amerikana momba ity fitondrana vaovao mijoro eto Madagasikara ity ? Ary ny manomboka manahiran-tsaina ny olom-pirenena maro ankehitriny dia ny hoe : hisy marina ve ilay fitoniana ara-politika ary ahoana marina ny momba ilay fampihavanam-pirenena ? Toa maika handeha lavitra ery ilay fiara be kanefa ny solika aza tsy ampy... !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT