Io ary ilay nambara hatrizay fa tena tompondaka amin’ny zavatra hafahafa sy manjavozavo ny fitondrana HVM. Tsy tambo isaina ireo afera maloto tamin`ity fitondrana ity toy ny ao amin’ny fitsarana sy ao amin`ny fonja toy ny ENMG, Hocine Arfa …
Tsy hay adinoina ihany koa ny ``diso tsy pelina`` nataon`ny ARMP miampy ireo fanadinana hidirana mpiasam-panjakana feno bizna. Aiza ho aiza ireo raharaha manjavojavo izay nampivandravandra ny tsy fanarahan-dalàna sy kolikoly avo lenta ary halatra bevava ataon`ireo mpitondra ankehitriny ? Milaza ny filoha fa sady mahita izy no mahare ireo fitarainana ataon'ny mponina ary mbola mahita lavitra ny tsy hitan'ny sasany aza. Mankarenin-tsofina anefa ny fahanginan`ny filoha Hery Rajaonarimampianina noho ny toe-draharaha misy eto amintsika. Midika izany fa mahafantatra tsara ny olana mianjady amin'ny vahoaka izay efa latsaka an-katerena ny tenany. Mitady fomba rehetra hiarovana ireo tsy mataho-tody ny fitondrana ankehitriny ary mody fanina sy minia tsy mahita fotsiny. Betsaka ihany ny tsy fanjariana teo aloha miverina, na hoe tsy miverina sy tsy azo averina aza ny tantara. Ao anatin'izany, ny fomba fanaovana politika kanefa hita taratra fa mitodika amin`ny fanatsarana endrika ivelany ny fitondrana ary mampiseho fanjakana tsara mitantana manoloana ny iraisam-pirenena. Tonga eto Madagasikara indray ny iraka manokan’ny FMI (Fonds Monétaire International) izay tarihan’i Marshall Mills manara-maso indray ny fanatanterahana ilay FEC (Facilité Elargie de Crédit) andiany faharoa izay nahazoana 80 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2017. Midika izany fa hisy tatitra indray manambara fa tsara ny fahaiza-mitantana ataon`ny mpitondra ary mba ho tsara endrika hatrany ny sarin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manantena ny FEC andiany fahatelo ny fitondrana amin`ity taona 2018 ity ary anisan`ny fepetra apetraka amin`io anefa ny fanjakana tsara tantana. Mitsitaitaika ary miankina amin’ny zavatra hita eto sy araka ny fitantanana nataon’ny governemanta no hahazoana indray ny famatsiam-bola manaraka. Raha mbola mahazo ny FEC 3 i Madagasikara dia tena miangatra ny FMI (Fonds Monétaire International) tarihan’i Marshall Mills eto amintsika satria efa tena latsa-paka amin`ny Malagasy ny fahantrana izay midika fa tsy mahomby ny fitondrana ankehitriny. Mahalasa eritreritra fa tsy ny fitondrana ihany no minia manakimpy maso ny toe-draharaha eto amintsika fa hatramin`ny iraisam-pirenena raha toa ka mankato ny famoahana ny FEC andiany fahatelo ny FMI. Sao dia diso fijery ka mampijabaka tsotra izao antsika ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.