Politique

Fitondrana Rajaonarimampianina Midera tena hatrany


  • Sabotsy 30 Septambra 2017

Tonga nitokana ny tsena tany amin’ny kaominina Marovantana sy lycee tany amin’ny kaominina Anahindrano, distrikan’Antsohihy, faritra Sofia ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, omaly.

 Nilaza ny tenany fa tsy misy fampandrosoana eto Madagasikara raha tsy miainga avy any ifotony. Rehefa mandray andraikitra ny ben’ny tanàna sy ny vahoaka ao anatin’ny kaominina dia mahavita fotodrafitrasa. Mitondra fampandrosoana ao anatin’ny kaominina ny fotodrafitrasa. Fotoana tokony hamondronana hery sy hahafahana mitondra fampandrosoana izao, hoy izy ary tokony hisy foana ny fitoniana. Avelao hiasa ny malagasy ary avelao hiaina ao anatin’ny fitoniana.

Ny tsena no hifamezivezen’ireo mpivarotra mba ahazoana vola sy ahafahan’ny kaominina misitraka ny hetra. Tamin’ny alalan’ny fanampiana manokana avy amin’ny Minisiteran’ny Atitany sy Fitsinjarampahefana no nanamboarana ny tsena, raha ny fanazavana ary tamin’ny alalan’ny vola izay nomen’ny fitondram-panjakana izay tantanin’ny solombavambahoaka na ny CLD no nahavitana ny lycée 2 tany Anahindrano sy any Antsahabe. Nanome hafatra ny Praiminisitra fa manao zavatra ny fitondrana ary marina ny fitakian’ireo maika hanao fifidianana kanefa misy vahoaka Malagasy tokony ho jerena aloha indrindra eo amin’ny lafiny sosialy. Hita ho toy ny mbola mihevitra azy hijanona ela eo amin’ny fitondrana mihitsy araka izany ny fitondrana Rajaonarimampianina ary tsy miraharaha izay tsikera maro be nahazo azy tao anatin’izay 4 taona izay fa mbola midera tena hatrany ary mihevitra fa nahavita be.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT