Fihetsiky ny famadihana ny tolon’ny tia tanindrazana ny nandraran’ny fitondrana ny adidy fahatsiarovana ireo maherifo Malagasy lavo tamin’ny tolom-panavotana ny taona 1947,
hoy i Gaby Vakiniadiana. Manamafy izany ihany koa ny fivoizan’ny mpitondra mahefa mafy ny fandraisana ny fihaonana tampon’ny Frankofonia sy ny tsy fahasahiany mitaky ireo Nosy Malagasy bodoin’ny fanjakana frantsay. Ny tanindrazana miaraka amin’ny kolontsaina sy ny vakoka no maha-firenena ny firenena, araka ny fanamarihan’ny Sekretera jeneralin’ny Vahoaka Miray. Harena lehibe sy voalohany kosa ny mponina mivelona ao aminy. Iraka notanterahan’ny voanjo teto amintsika moa ny fanapotehana ireo soatoavina tena Malagasy ka notsindriany tamin’ireo fomba amam-panao sy kolontsaina sadasada ankehitriny. Fotoana anefa izao hanehoana ny tena fitiavan-tanindrazana ka hitandrovana hatrany ny fahaleovantenan’ny firenena Malagasy. Tsara ho fantatry ny taranaka Malagasy fa antom-pisian’ireo fikambanana sy antoko toy ny Jina, Panama sy ny MDRM ny fanoherana ny fivarotan-tanindrazana fanomezana vahana ny vahiny izay voizin’ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’ny fomba ankolaka sy mivantana ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.