Politique

Fitondrana Rajaonarimampianina Manandran-doza miady amin’ny fitsarana


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Tany amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy no efa nanomboka ny disadisa teo amin’ny fanjakana HVM sy ny mpitsara Malagasy. Nitohy tamin’ny raharaha Houcine Arfa, ny fisamborana mpitsara noho iny raharaha Houcine Arfa iny, ny fanesorana ny tonia mpampanoa lalàna ambony Rakotonavalona Ranary Robertson,…

 Niaka-pofona indray ny fanjakana tamin’ny alalan’ny famoahana fanambarana tamin’ny filankevitry ny minisitra lasa teo momba ny raharaha Houcine Arfa. Navoitra tamin’izany ny fisian’ny firaisankinan’ny governemanta eo anatrehan’ny fitoriana nataon’ny minisitra ny fitsarana. Nambara fa ny fanjakana no lohalaharana amin’ny fiarovana ny hasina sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ary toa mampitandrina ny resaka famoaham-baovao isan-karazany tsy mifanaraka amin’ny sain’ny mpitondra. Tsy niandry ela ny teo anivon’ny sendikan’ny mpitsara na ny SMM, izay tsy nisorona nilaza fa ny fanjakana no fototry ny fanitsakitsahana io fahaleovantenan’ny fitsarana io, toy ny nisian’ny baiko avy amina tompon’andraikitra ambony hampiditra am-ponja vojimaika olona nomen’ny mpitsara fahafahana vonjimaika tany Brickaville. Nisy indray iny ny fandresen’ny tonia mpampanoa lalàna ambony Rakotonavalona Ranary Robertson, izay nesorin’ny fanjakana HVM tamin’ny toerany, saingy foana rehefa nahazo rariny tamin’ny filankevi-panjakana izy. Hanaiky mora izany ve ny fanjakana sa hiafara hatrany amin’ny fandefasana Emmoreg, toy ny efa natao tamin’ny antoko Tiako I Madagasikara tamin’ny fankalazana ny faha-15 taonany ny volana jolay 2017 ? Taiza teto ambonin’ny tany no mbola nisy didy avoakan’ny prefektiora ambony noho ny didim-pitsaran’ny filankevi-panjakana, kanefa dia vitan’ny HVM ? Milaza ho miaro ny fahaleovantenan’ny fitsarana, kanefa fatra-panitsakitsaka ny didy avoakan’ny fitsarana. Nahazo rariny tamin’ny filankevi-panjakana ny mpiasa noroahina teo anivon’ny Air Madagascar, ka nisy ny didy mamerina azy ireo hiasa efa an-taonany saingy tsy raharahiana hatramin’izao. Mety hisy indray ve ny didin’ny be sandry amin’ity raharaha mikasika ny tonia mpampanoa lalàna ity ? Hikatso indray ny fitsarana, ka dia ny vahoaka no lasibatra raha ho tonga amin’izany. Efa mamono tena ny fanjakana miady amin’ny mpitsara. Na inona na inona ataon’ny fitondrana HVM dia mandalo fotsiny izy ireo fa ny mpitsara efa rafi-panjakana eo foana, ary mahay mifanampy sy mifampiaro ihany koa, ary tsy azo fehezina amin’ny fandefasana emmo reg tahaka ny fanao mahazatra. 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT