Tsy misy antenaina amin’io governemanta Mahafaly io, hoy ny resaka heno eny rehetra eny
. Fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta rahateo no nitranga farany teo fa tsy fananganana governemanta vaovao. Ireo olona efa nandrafitra ny fahefana mahefa tao anatin’ny 7 taona nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ihany mantsy no miverimberina sy mifamadika hatramin’izao, araka ny hevitry ny mpanara-baovao. Malemy fototra kosa ny fahefana mpanatanteraka tarihan’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina, raha ny fahitan’ny mpandinika politika azy. Tsy hita soritra hatramin’izao moa ireo mason-tsivana 3 mampiorim-paka ny fitsanganan’ny governemanta 3 nifandimby hatramin’ny taona 2014, hoy kosa ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika. Voalohany, ilaina olona politika sady teknisianina ny fifehezana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Faharoa, sarotra ho an’ny mpitondra fanjakana ny miasa irery tsy misy tohana amin’ny antoko politika eo anivon’ny Antenimieram-pirenena na ivelan’ny rafitra. Fahatelo sady lehibe indrindra ny tsy fisian’ny programa na fandaharanasa mazava avy amin’ny filoham-pirenena. Tsy mahagaga raha nionona tamin’ny asa fohy ezaka mitaky vokatra haingana ao anatin’ny 100 andro fotsiny ny mpitondra fanjakana mijoro tao anatin’izao Repoblika faha-IV izao.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.