Mbola manohy ny fitakiany hatrany manoloana ireo tsy rariny mianjady amin’ny mpiasa Malagasy ny randrambaon’ny sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara na ny SSM, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny, Jean Raymond Rakotoniasy, tao amina fahitalavitra tsy miankina 1 ny alin’ny sabotsy teo.
Fihemorana mirindra, hoy ny tenany, no tsapan’ny mpiasa Malagasy tao anatin’ity fitondrana ity. Ho an’ny mpiasam-panjakana manokana, raha 10% foana hatramin’izay no fisondrotan-karama noraisina dia tamin’ity fitondrana ity vao nisy izany hoe 7% izany ary tsy nisy mihitsy aza io fisondrontana io hatreto ho amin’ity taona ity. Amin’io mbola misy tapaka karama Krismasy koa. Tanala very sampy, ny manova izao fitondrana izao no mety, hoy hatrany ny sekretera jeneraly. Manararaotra ny faharefoan’ny mpiasam-panjakana ny mpitondra. Miakatra hatrany ny vidim-piainana, hafahafa ny fomba fanapahana karama ary tsy milamina toy izany koa ny ambiny hafa toy ny “rappel”, “avancement”, “indemnité”. Mitohy ny fitakiana ny fampiharana ny lalana sy zon’ny mpiasa saingy mitandrina izahay mba ho hetsika ara-dalàna sy ampahamendrehana, hoy ny tenany, no atao ndrao misy ambadika politika satria toy ny mihantsy anay hanao fihetsiketsehana izany ny fitondrana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.