Politique

Fitondrana petatoko Ny olony aza tsy voafehy mainka fa fanjakana


  • Alakamisy 08 Martsa 2018

Tsy voafehy intsony ny fanjakana, ary afaka manao izay saim-patany ny mpitondra ambony amin’izao fotoana.

 Miteniteny foana sy manao izay saim-patany ny tompon’andraikitra, raha dinihina tamin’ny famoahan’ny minisitra ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka ny datim-pifidianana. Toa  tsy misy intsony izany resaka fanajana ny andraikitra sy ny antanantohatra izany, fa entanim-po ka miteny izay tiana hotenenina. Ny pitsopitsony rehetra, toy ny lalàm-pifidianana aza mety mbola hiteraka adihevitra lehibe, tahaka ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana hoe hanaiky ve ny herivelona politika rehetra kanefa efa misy mamoaka tsiambaratelom-panjakana. Miteraka adihevitra, ohatra, ilay resaka fanaraha-maso sy ny fanaovana kaonty amin’ny fampielezan-kevitra, izay tokony ho fantatra 6 volana mialoha. Ny an’ny mpitondra, izay re fa manomana hatrany amin’ny 100 miliara ariary aloha mety tsy voakitika fa ny an’ny kandida atahorana no hatao fahirano. Tsetsatsetsa tsy aritra iny, fa ny mahagaga dia vitavita ho azy amin’ny alalan’ny fandisoam-baovao mbola feno fahadisoan-tsipelina vokatry ny tandrametaka sy ny fikoropahana iny fanambaran’ny minisitra iny. Mampanontany tena hoe i Hery Rajaonarimampianina ve no manam-pahefana ambony indrindra eto sa saribakolin’ireo manodidina azy ka tsy maintsy manaiky mora fotsiny ny efa fahadisoana mihoapampana. Nisesisesy ny endrika figafiana sy fandotoana fanjakana, toy ny tamin’ny sora-bola momba ny tsenan’asam-panjakana, ny resaka kolikoly 70 000Euros,… saingy vitavita ho azy. Efa hifanaovana ihany koa anefa io miteniteny foana io tahaka ny hoe : telo volana dia voavahako ny delestazy, porofoy amiko fa mahantra ny Malagasy,… Manaporofo hatrany ny zava-drehetra, fa tsy nivonona hitondra fanjakana Rajaonarimampianina sy ny ekipany, ka dia ny balarora sy ny fampiesonana no betsaka, ka tsy atao mahagaga raha manondrana lava. Mpitondra fanjakana kitoatoa tahaka izany ve no mbola hantenaina hiova sy hitondra fampandrosoana ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT