Mpiasa am-polony taona maro tao anatin’ny rafitra iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT ny praiminisitra ankehitriny. Olon’ny sehatra iraisam-pirenena izy ary mety atokisan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na ny PTF,
raha ny lalana nizorany teo hatramin’ny nahatongavany teo. Fantatra mazava ihany koa ny lalana nizoran’ny filohan’ny tetezamita taorian’ny naha ben’ny tanànan’Antananarivo ka nitarihany ny fanonganam-panjakana 2009. Olona 109 no nosazian’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’izany ankoatra ny ankivy nahazo an’i Madagasikara. Endrika roa izany no miara-mitantana ny firenena ka iza no hatokisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola kokoa ? I Andry Rajoelina sa i Ntsay Christian ? Iza izany no tena mitondra ? Raha io no halalinina dia toa eo am-pelatanan’ny praiminisitra ankehitriny ny tena familiana ny firenena. Tsaroana tsara ny savoritaka tamin’ny fanendrena ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny tolon’ny depiote 73. Adihevitra be tamin’izany ary tsy nanaiky ireo depiote MAPAR, kinanjo toa nasaina nanaraka baiko fotsiny tamin’ny filazana avy eo fa avy amin’izy ireo io praiminisitra io. Tamin’ny famerenana azy teo aza, dia mbola nisy ny feo nandeha tetsy amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza tamin’izany fa tsy tokony haverina eo intsony izy fa aleo ny hafa indray. Io tafaverina io anefa izy, izay heverina fa mety ho misy dian-tanan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fipetrahany eo. Ny firafitry ny governemanta aza, dia somary anjorom-bala ny tena olona fantatra tao anatin’ny MAPAR, fa najoro ny teknisianina sy olona novolavolain’ny sehatra iraisam-pirenena, hany ka toa mihafihafy ireo tena olon-dRajoelina fahiny. Na ny filoha aza mety ho sarotsarotra aminy ny tena hifehy ny praiminisitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.