Ampy izay ! Namoaka fanambarana iombonana omaly ny seraseran’ny mpitandro ny filaminana nitondra fanazavana manoloana ny fivoaran’ny toe-draharam-pirenena ankehitriny.
Manamafy ny mpitandro ny filaminana fa tsy manana fiandaniana politika na amin’iza na amin’iza. Ny torolalana izorana hatreto, hoy ny fanambarana, dia ny fanatanterahana ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika, ny 24 jolay 2013. Noho izany, hoy hatrany ny fanambarana, dia tsy marina ny filazana fa nahazo fankatoavana avy amin’ny mpitandro ny filaminana ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra politika nataon’ny vondron’olona, na iza izy na iza. Hentitra koa ny fanambarana milaza fa “tsy misy fiheverana hanangana fitondrana miaramila izany avy amin’izy ireo”, ka “handray andraikitra amin’ireo mpitandro ny filaminana izay minia tsy manaja ny tsy fiandaniana politika izy ireo, araka ny fanomezan-toky natao ny 17 aprily 2013”.
Rehefa izay dia miangavy ny manampahefana sy olon-tsotra rehetra mba hanampy azy ireo amin’izao fanapahan-kevitra raisiny izao, mba hampisy filaminana sy fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ahafahana mizotra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny 24 jolay 2013 sy ny manaraka rehetra. Mangataka koa izy ireo amin’ireo tompon’andraikitry ny CENIT sy CES ary ireo nanolo-tena hofidiana mba tsy hametraka laharam-boninahitra miaramila mihitsy amin’ny taratasim-pifidianana na fanaovana fampielezan-kevitra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.