Midangana ny vidim-piainana, saingy tsy manana vahaolana tena mafonja ny fanjakana.
Nakarina 200 000Ar ny karama farany ambany, kanefa niakatra nanaraka izany ny vidin-javatra rehetra, indrindra fa ireo ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Tafiakatra hatrany amin’ny 90 000Ar ny vary iray gony, misy efa 8000 Ar ny litatry ny menaka, manomboka miakatra koa ny saran-dalan’ny taksibrosy, miroborobo ny sehatra tsy manara-dalàna. Malalaka amin’ny fomba hoentiny mitondra ny firenena ny fanjakana Rajoelina. Tsy misy ny gafy na ny fingampingana ara-politika mahazo ny mpitondra amin’izao fotoana, tsy tahaka ny nataon’ny ekipan’ny TGV sy ny MAPAR tamin’ny andron’i Hery Rajaonarimampianina. Vao nanomboka ny fitondrana tamin’izany, dia natao enjika adala, ary nofinganina hatramin’ny farany kanefa ny zavatra nataon’ny fanjakana HVM ihany hatreto no taingenana sy ezahina lazaina fa velirano. Tsy mitovy mihitsy ny rivotra politika tamin’izany sy ny tamin’izao satria na ireo nijoro ho mpanohitra aza dia mamela malalaka ny fitondrana hiasa an-kalalahana ary tsy manohitra fandrosoana fa manohitra ny zavatra heveriny fa tsy mety amin’ny fomba fitantanana ny firenena. Ny fanjakana indray no mihantsy ady sy manao ho anton-draharaha ny fanenjehana ny mpanohitra, raha jerena amin’ny natao tamin’ny lalàna mifehy ny fanoherana, fanenjehana sy fampandovana onitra hatrany amin’ny 10 tapitrisa ny mpanao gazety,… Naman’ny efa hivalona ny herintaona nitondrana satria ny 3 volana farany amin’ity taona ity, dia ny resaka propagandy sy fifidianana ben’ny tanàna no hitana anjara toerana goavana amin’ny raharaham-pirenena. Izay ambara fa vahaolana sy fampandrosoana mbola lavitry ny kitay ny afo, fa tsy arakaraka ny natao tany amin’ny propagandy hoe tsy miandry zato andro izany, fa tonga dia mandeha ny fampandrosoana. Tsy misy manakana sy mamingana azy, fa ilay fanjakana mihitsy no tsy misy hatokona sy tsy mahazaka firenena, ka ny manangam-pahavalo sy manangon-karena angamba no tena laharam-pahamehana ao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.