Politique

Fitondrana IEM Raha seho ivelany aloha dia talentany


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Tena tsara ary mety ny fanadiovana ny tanàna sy ny fanomezana endrika tsara maha te honina.

 

 

Mbola kely dia efa mila beazina ny ankizy hahay hanadio ny toerana onenany, miezaka ny tsy mandoto ihany koa. Na izany aza misy fotoanany ny zava-drehetra, hoy ny fomba fiteny izay. Tsy misy asa hafa maika mihitsy ve fa dia ny mandoko trano sy rindrina ary tohatohabato etsy sy eroa no tena laharam-pahamehana ho an’izao fitondrana izao ? Inona ilay tena tanjona ? Fanadiovana sy fanatsarana tokoa ve sa zavatra hafa ? Efa iaraha-mahaala fa olona niasa am-polony taona teo amin’ny sehatry ny seho, dokambarotra ny filoham-pirenena, ary maro ireo mpiara-miasa aminy fahiny mbola miara-dalana aminy amin’izao fotoana. Olon’ny serasera ihany koa i Andry Rajoelina ary tsy manao zavatra tsy misy tanjona fa matoa izay misy zavatra miainga eo dia efa misy lalan-kizorana sy tiana hahatongavana. Lasa miteraka adihevitra any anaty fiarahamonina ilay mandokoloko etsy sy eroa. Miverina mpianatra any amin’ny ambaratonga fototra ve ireo mpitantana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ka mahazo fafiny mandoko rindrina e ? Mbola adihevitra be ihany koa ny hoe : efa mba nodinihana tsara ve ireo toerana nolokoina sy nokitikitihana ireo, satria misy ny toerana mana-tantara, sy rakitry ny ela. Ka raha misy ny fikitihana azy, farafaharatsiny mba mandalo fanapahan-kevitra eo anivon’ny filankevitry ny tanàna kosa fa tsy tonga dia kitihana. Hoy ny ohabolana ray izay : “ ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolankolana”, io resaka mandoko io ve no hanafenana ny fahantrana eto sy hanaitairana ny mason’ny mpandalo sanatria ? Averina ihany fa tsara ny manadio sy manavao, fa tsy mety kosa ny mihaingo ambony tsokoko. Manjelanjelatra be ety ivelany, ny ao ambadika na ny ao anatiny anefa korontana ambony ambany. Tanàna ezahana atao manjelanjelatra kanefa ny mpanao sinto mahery, mpangalatra, mpanolana efa tena sahy miasa amin’ny andro mazava. Mamirapiratra ny tanàna fa ny olona miaina ao anatiny tsy an’asa, miaina amin’ny gaboraraka,... Mba mila dinihana tsara ihany izay tena asa maika sy tokony ho laharam-pahamehana, dia manaraka ho azy ny hafa avy eo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT