Politique

Fitondrana IEM Mila maka lesona amin’ny TIM.K25


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Miditra amina kihon-dalana lehibe ny fanaovana politika eto amintsika, raha tarafina amin’ny zavatra niseho taorian’ny fifidianana filoham-pirenena lasa teo.

 

 

 Nisy ny fientanana lehibe tamin’ny fanohanana ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ny vovonana goavana K25. Na nisy aza ny faharesena nateraky ny kajikajy politika sy ny tsy fahamarinana, dia mitohy ny fiarahana ary vao mainka nohamafisina. Ampahatsiahivina fa misy amin’ireo mpikatroka ao anatin’ny K25 aza no tsy nitovy hevitra tamin’i Marc Ravalomanana tany aloha, saingy efa endriky ny fampihavanam-pirenena amin’ny ampahany no miseho amin’izao. Mijoro ny K25 satria mafy ara-potokevitra tsy manaiky ny tsy rariny miasa sy miady ho an’ny tanindrazana. Fivondronan’ny Malagasy tonga saina. Tsy matimatin’ny volakely sy ny tolotolotra indray miserana fa mametraka ho ambony ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Mijoro ho arofanina eo anatrehan’ny tsy mety sy ny tsy rariny. Herivelona lehibe tsy azo tsinontsinoavina ny TIM.K25, ary tsapa fa miezaka mametraka ny fifandanjan-kery eo amin’ny sehatry ny politika. Tena hanao ny faraheriny amin’ny fifidianana manaraka eo, ary tsy hanaiky lembenana eo anatrehan’ny karazana antsojay sy ny kajikajy maloto mbola tadiavina hatao. Rehefa halalinina izany, dia hiezaka hanaporofo amin’ny fifidianana depiote izy ireo, fa tena nisy hosoka tokoa ny fifidianana filoha teo. Raha ny lojika raha tena lany tamin’ny fomba madio tokoa ilay filoha, dia manamafy izany ny fahazoany maro an’isa amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Toa tsy mahatoky tena anefa, ka mbola te hikononkonona mafy hametraka ny kajiny sy hikitika ny lalàm-pifidianana i Andry Rajoelina sy ny ekipany mba handresena amin’io fifidianana io. Hihamafy ny tsy fahamarinan-toeran’ny fanjakana ankehitriny, ary hanaporofo ny fandresena tsy tena azo antoka ho tamin’ny fahamarinana ny mety ho tsy fahazoan’izy ireo maro an’isa. Efa nanipy teny moa i Marc Ravalomanana tamin’ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona 2019 nataon’ny TIM.K25 ny 25 janoary teo, fa misy fetrany ny fandeferana eo anatrehan’ny antsojay na koa ny finiavana mbola hampanjaka ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT