Politique

Fitondrana HVM Tsy mahavita azy, mampijaly vahoaka !


  • Talata 31 Janoary 2017

Nandao an’i Madagasikara ny alahady hariva teo ary nihazo an’i Addis Abeba Etiopia hanatrika ny fivorian’ny vondrona Afrikanina ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

 

 Solontena ihany no nalefa nijery ireo niharam-boina sy namoy havana noho ny loza mahatsiravina tany Ambongamarina Anjozorobe ka nahafatesana Malagasy 47. Nirohotra nanatrika ny lamesa teny Mahamasina ny alahady sy ny famelabelaran-kevitra teny amin-dry masera teny Mandrimena Andoharanofotsy omaly ireo mpitondra fanjakana. Dia tahaka ireny hoe olomasina ireny ery ny fahitana azy ireo. Etsy an-kilan’izay anefa, mitaintain-dava ny vahoaka amin’ny vidim-bary miakatra, ho avy koa ny fisondrotan’ny saran-dalan’ny taksibe. Ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano 5 ora isan’andro moa dia toa lasa efa fanampin-tsakafo. Na ny tamin’ilay resaka rano ritra na tamin’ny fahatapahan’ny internet dia an-taratasy anaty gazety no nahafantaran’ny besinimaro azy fa tsy nisy tompon’andraikitra nijoro nanazava tsara na dia iray aza. Efa iaraha-mahita ny fiverimberenan’ny lozam-pifamoivoizana amina faritra maro eto Madagasikara saingy tsy taitra ireo tompon’andraikitra na dia mahafantatra tsara izao aza fa mety antony lehibe mahatonga ireny loza hamoizana ain’olona maro be ireny ny kolikoly sy tsolotra any amin’ny « visite technique », ny « permis vorontsiloza » ary ny « mametraka kely eny an-dalana » koa dia mikipy manoloana ny fandikan-dalàna ny polisy sy ny zandary. Matimaty foana ny vahoaka ary mody fanina ny manampahefana. Lasa fomba firesaka fotsiny ny hoe atao ny fanadihadiana fa tsy misy marina mipoitra na iray aza. Mby aiza moa izao ny momba ilay baomba nipoaka tao Mahamasina tamin’ny 26 jona 2016 ? Ary ahoana ihany ny tohin’ilay boaderozy tratra tany Singapour ? Inona no tena ao ambadik’ireo bolongam-bolamena mivoaka an’i Madagasikara izay mety ho amphahany kely ihany no tratra eny Ivato ? Toa lany andro amin’ny fisehosehoana ivelany ireto mpitondra Malagasy fa ny fahaiza-miasa sy fikaroham-bahaolana aotra. Dedaka ery i Hery Rajaonarimampianina fa hoe mitarika ny Comesa sy ny Frankofonia, ny vahoakany anefa efa maty tsikelikely eto Madagasikara. Varimbarian’ny lavitra marina angamba ka tsy mahita ny ambany maso !

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT