Nanomboka nihetsiketsika tamin’ny serasera anaty facebook sy eny amin’ny haino aman-jery ary gazety an-tsoratra ny tapaky ny volana oktobra teo ny olon’ny ankolafy Rajoelina.
Nisantarana izany ny fiarahan’i Andry Rajoelina nipetraka tamin’ny fianakavian’ny Pr Zafy Albert teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Ekena ny fiaraha-miory sy fankaherezana ny fianakaviana fa amin’ny lafiny iray dia endrika serasera iny ary nisehoan’ny filohan’ny tetezamita vahoaka tamina tranga goavana sy manana ny maha izy azy ho an’ny firenena. Etsy an-kilany, hita amin’ny dinika sy fikaonan-doha politika sy manodidina ny fifidianana nisy tato ho ato i Marc Ravalomanana ary efa hahafantaran’ny rehetra azy ny fitetezam-paritra ataony mandavan-taona ka manodidina ny distrika 75 amin’ireo 119 misy eto Madagasikara izao no voatsidiny hatramin’ny niverenany an-tanindrazana indray, 3 taona lasa izay. Tsy vao izao ihany fa efa hatry ny ela no mampiasa ny serasera ary mahay mampiasa azy io i Marc Ravalomanana. Io lafiny iray io no tena nampisongadina azy tamin’ny 1999 fony izy kandida ben’ny tanàna. Iarahan’ny rehetra manaiky fa henjana ihany koa izy any amin’ny resaka fifampiresahana sy fifampiraharahana na eto an-toerana na any ivelany. Manana ny maha izy azy eo amin’io sehatry ny serasera sy fifandraisana io ihany koa i Andry Rajoelina ary ny fahaizany nampiasa an’io no nanampy azy betsaka nandrodana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009. Efa mivoaka ny resaka fa goavana ny teknikan-tserasera hampiasain’i Andry Rajoelina sy ny Mapar rehefa tonga ny fotoana.
Serasera sampona
Ho an’i Hery Rajaonarimampianina kosa dia manana ny fitaovan-tserasera mivoy ny momba azy sy ny fandaharan’asany izy na haino aman-jery na gazety an-tsoratra, saingy lesoka ho azy ny tsy fisian’ny asa mivaingana vitany hatreto aloha. Azo nanaporofoana tsara ny tsy fifehezan’ny fitondrana Rajaonarimampianina serasera ny savorovoro nateraky ny valanaretina pesta, indrindra ho an’Antananarivo sy Toamasina. Tsy ampy ny fampahafantarana sy ny fanazavana na nisy fa natao toton’ondry bory fotsiny fa tsy nahomby akory. Mamono afo lava avy eo ny mpitondra fanjakana, fa ny olona efa tsy resy lahatra intsony, hany ka na zavatra tokony hahomby aza dia mikatso ho azy. Maro ihany koa ny mahita fa tsy dia mahafehy firy ny resaka serasera ny ekipan’ny filoham-pirenena, hany ka ny fampiasana ny fahefana eo am-pelatanana no fomba fiady ampiasaina. Mandeha daholo ny antsojay, famoahana dosie tampotampoka, fanakatonana orinasa, fanenjehana ny olona mifandray amin-dRakoto na Rabe izay mety ho kandida matanjaka. Malemy ho azy mantsy ilay kandida rehefa voageja ny loharanom-bolany na tsy afaka manampy azy araka ny tokony ho izy ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.