Mazava tsara ny tenin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason omaly fa ny fitsarana no hanapa-kevitra farany momba ny
fitarainana fanalam-baraka voatondro fa nataon’ny orinasa fanaovan-gazety sasantsasany.Ny lalàna mifehy ny serasera sy ilay lalàna momba ny « cybercriminalité » no ampiharina amin’izany , hoy izy.Tsy hisy mihitsy ny famindram-po ho an’ireo alaim-panahy hanohintohina ny rafim-panjakana misy sy ny filaminan’ny fiarahamonina, hoy hatrany izy.Fanambarana azo raisina ho fampitandremana mazava be ho an’ny orinasan-tserasera na am-bava io, na an-tsoratra, na an-tsary na amin’ny alalan’ny tranokala .Fomba fiasa hita fa misy mizana tsindrian’ila ihany satria tena mafy ny fanaratsiana sy fanosoram-potaka ataon’ireo gazety sy haino aman-jery sasany akaikin’ny fitondrana HVM ny mpanao politika sasany sokajiana ho mpanohitra eto ka anisan’ny tena voadaroka matetika amin’izany ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny vadiny, Marc Ravalomanana izya filoham-pirenena teo aloha.Mahazo ny anjarany ihany koa ny olona hafa izay sokajiana fa tsy mitovy fomba fijery amin’izao fitondrana izao.Ka inona moa fa tsy izany ve no atao hoe : sivana ? Miha hita soritra hatrany ny fanirian’izao fitondrana HVM izao hifehy ny resaka serasera amin’ny endriny rehetra mifamiovoy eto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.