Mihetsiketsika mafy ny antoko HVM sy ny mpiara-dia aminy eto Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny faritra sy ny distrika ary ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly no lehiben’ny fihetsiketsehana rehetra.
Mihetsiketsika mafy ny antoko HVM sy ny mpiara-dia aminy eto Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny faritra sy ny distrika ary ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly no lehiben’ny fihetsiketsehana rehetra. Nanizingizina ingahy praiminisitra omaly teny Antohomadinika fa efa nahazo ny vola fanampiana hahafahany miasa ireo kaominina rehetra, anisan’izany Antananarivo Renivohitra. Nilaza indray anefa izy avy eo fa tsy ny vola rehetra no azo fa mba misy azo hiasana kosa aloha. Tsy naneho tarehimarika mazava sy ny daty nanomezana io vola io na ny praiminisitra na ny sampana seraseran’ny primatiora fa resaka natao fotsiny tsy narahana porofo an-taratasy aloha ilay izy. Hentitra koa anefa ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy raha nanontaniana ary nilaza fa tsy mbola nahazo io anjara volany avy amin’ny fitondrana foibe io mihitsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Zo anefa io vola io fa tsy zavatra italahoana, hoy izy. Hilaza ny heviny amin’ny mpanao gazety anio vao maraina etsy amin’ny Carlton Anosy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ary efa re ihany fa hafonja sy hasiatsiaka ny fanambarana hataony ao. Efa nanolo-tanana, izahay saingy toa vao miha vavabe sy teny feno avona no nasetrin’ny fanjakana foibe, hoy ny mpiara-miasa akaiky aminy ka ampy kosa angamba izay ny fotoana nanginana fa mila miteny sy milaza ny marina rehetra amin’izay ny mpitantana ny kaominina. Mazava ny resaka eto fa tsy nahomby ny ezaka fampifanatonana ny praiminisitra sy ny ben’ny tanàna nandeha tany ambadibadika tany sy nanaovan’i Marc Ravalomanana antso avo teny Faravohitra ny talata lasa teo. Vaky tanteraka ny ady ary mivonona ny hanao ampamoaka ny CUA izay mahatsiaro tena voahoso-potaka. Misy mazava ny fandaharanasa, vonona ny mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka saingy ilay antsojay ataon’ny fitondrana foibe no olana, satria tsy afa-mihetsika mihitsy ny kaominina fa tratran’ny kapa vava ranjo sy fanitsahana andraikitra isaky ny mihetsika, hoy ny avy etsy amin’ny lapan’ny tanàna. Mety efa fomba fiady politika ihany koa ny an’ny fitondram-panjakana izay tsy nahalevona mihitsy ny fahareseny teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ary ben’ny tanàna ka mety mahatonga azy hanao izao hetraketraka avo lenta amin’ny kaominina izao mba hanaratsy endrika an’i Lalao Ravalomanana manokana sy ny Tiako i Madagasikara amin’ny ankapobeny. Politika avo lenta izay manapotika isan’andro ny renivohitr’i Madagasikara anefa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.