Politique

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be


  • Zoma 23 Febroary 2018

Amin’ireo Blocs pétroliers 100 eny amin’ny ranomasina izay ananantsika dia 40 amin’ireo no nanaovana « appel d’offres » amin’ity taona 2018 ity. Ny 36 kosa efa namoahana didim-panjakana ny amin’ny fanomezan-dalana hitrandraka azy tamin’ny alalan’ny OMNIS ny taona 2017 ka anisan’izany Mahajanga avaratra sy atsimo, Cap Saint André ary Ampasindava.

 

Raha tsiahivina ny tenin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny amin’ny fahamaizany hiara-hiasa amin’ny London Stock Exchange Group tamin’ny volana septambra 2017 tany Londres dia niezaka nisarika ny amin’ny fitrandrahana solika aty Madagasikara izy. Mazava ho azy fa efa hiroso lalina amin’izay ry zareo noho ireo fanomezan-dalana ireo. Araka izany, fetsy ny HVM satria ny ady hevitra mody alefany ny amin’io resaka io kanefa ny sonia efa vita ary ny fitrandrahana efa mandeha tsimoramora. Etsy ankilany, atao izay mahavariana ny Malagasy amin’ny ady hevitra hafa kanefa ny afera efa mandeha ihany atsy ambadika. Ny ankamaroan’ny mponina koa moa tsy mahafantatra sady tsy nampahafantarina ny fisian’izany harem-pirenena izany ka moramora amin’ny sasany no mameno ny paosy. 64.55 dolara na 202 365Ar (1 dolara=3135 Ar) ny vidin’ny barila amin’ny tsena iraisam-pirenena ary harena be no aterak’ireo blocs 36 ireo amin’ny alalan’ny fampidirana vola vahiny. Misy akony be amin’ny toekarena izany, satria ankoatra ny fampidirana vola vahiny dia mampihena ny vidim-piainana ny fitrandrahantsika solika. Rehefa mihena tokoa mantsy ny vidin-tsolika dia mihena avy hatrany ny tahan’ny halafosam-piainana (taux d’inflation). Tokony hisy ny tatitra mazava ary manan-jo hahafantatra an’izany ny vahoaka Malagasy fa tsy sanatria atao tompon-trano miono foana.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT