Tonga eto Madagasikara indray i Andry Rajoelina raha ny vaovao azo.
Misafidy ny hangina hatrany ary re fa mbola misalasala amin’ny hirotsahany amin’ny 2018 na tsia, izy. Na izany aza, manomana ny olony fatratra ny filohan’ny tetezamita teo aloha. Ho an’ny eto Antananarivo, efa mandeha ny fananganana ny birao mandrafitra ny TGV, ka rahampitso no hanatanterahana izany eny Nanisana ho an’ny Boriborintany faha-5. Mailo fatratra kosa ny HVM satria ny hamotika kandida atahorana amin’ny taona 2018 izao no tena asa goavana himasoan’ny fanjakana hahafahany mifikitra eo amin’ny seza hatrany. Ankoatra an’i Marc Ravalomanana dia kandida atahorany ihany koa i Andry Rajoelina, izay nampandany an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana, saingy notsipahiny avy eo. Matahotra mafy ny valifaty politikan’i Andry Rajoelina ny HVM, hany ka manao izay tsy hahafahan’ity farany mikofoka mihitsy. Miha mahery vaika ny fanenjehana atao ny orinasa INJET, izay anisan’ny loharanom-bolan’i Andry Rajoelina, ankoatra ny any ivelany. Raikitra ny fanakofonana tanteraka ny orinasa amina resaka ara-ketra. Semporina tsikelikely ka atao izay hahasahirana azy sy handaniany vola. Ho lany andro amin’ny fandaminana ny olan’ny orinasany i Andry Rajoelina, kanefa ny HVM mihazakazaka hatrany amin’ny fanaovana propagandy mialoha ny fotoana amin’ny alalan’ireny fitokanan-javatra isan-karazany ireny. Tsara ny manamarika fa efa nahavidy fitaovana tena raitra mitentim-bidy ana miliara maro mikasika ireny fanontana petadrindrina amin’ny propagandy ireny i Andry Rajoelina, ankoatra ireo efa nisy tany aloha. Efa nivonona hatry ny ela ny tenany amin’ny propagandy, saingy somary nifitsaka aloha noho ny fitsoky ny rivotra politika. Anisan’ny antony lehibe mahatonga izany ny tsy dia fahatokisany loatra an’ireo mpiara-dia aminy, izay efa nihena tanteraka ny heriny. Ao ny namadika, ka nikopa-kelatra niara-dia amin’ny HVM. Ireo namana sy mpiara-dia amin-dRajoelina moa dia misy ireo mbola henjehina hatramin’izao, toa an’i Kolonely Lylison. Herintaona toy izao no nanagadrana sy nanaovana don-tandroka tamin’i Augustin Andriamananoro, izay toa nangina tanteraka. I Mamy Ravatomanga namana akaiky sy mpiray afera tamin-dRajoelina tamin’ny tetezamita, ary mpanefoefo manana ny ampy amin’ny mety fanatobaham-bola amin’ny propagandy, dia efa iharan’ny antsojay ihany koa. Re fa mananontanona an’i Andry Rajoelina ny fanadihadiana momba ny famotsiam-bola. Ny tanjona dia ny hitsoahany any ivelany sy tsy hivezivezeny eto intsony, ka tsy hahafeno ho azy ny fepetra amin’ny fifidianana hoe: tsy maintsy mipetraka eto Madagasikara enim-bolana mialoha ny hametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.