Politique

Fitondrana HVM Mitohy ny fanampenan-tsofina


  • Alarobia 13 Septambra 2017

Anisan’ny nitsikerana matetika ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina hatramin’izao fa miorina eo ambonin’ny fitantanan’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara

 

 ny tsy fahaizan’ny filoham-pirenena mihaino ireo soso-kevitra marolafy niantefa taminy. Vao ny sabotsy teo no nisy fanehoan-kevitra nataona mpanao politika sy mpitarika antoko politika ny amin’ny tsy tokony hikitihana ny andininy faha-47 amin’ny lalàmpanorenana izay mandidy ny filoham-pirenena hametra-pialana 60 andro mialoha ny hanambarany fa hilatsaka hofidiana indray satria tsy hiteraka fitoniana eto amin’ny firenena. Namaly ny depioten’Ambovombe Androy mpanohana ny fitondrana, Milavonjy Andriasy Philobert, ny ampitso, fa ny tsy fanovana io resaka 60 andro io indrindra no hiteraka tsy fitoniana eto. Tsy voatery ho vita fihodinana in-dray mandeha mantsy ny fifidianana filoham-pirenena. Dia gaga ireo valalabemandry tsy mba mpidongy fahefana sy hiharam-pahantrana mandrak’ankehitriny mahita miharihary ny fitiavan’ny mpitondrany nifandimby fahefana tafahoatra. Toy ny rano nararaka an-damosin’ny gana avokoa ny torohevitra natao ny amin’ny tokony hananganana faran’izay haingana ilay fitsarana avo afaka mitsara ny filoham-pirenena na ny HCJ sy ny hanomezana fahaleovantena marina ny fahefam-pitsarana amin’izay. Mitohy ny fanampenan-tsofina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT