Nigadona any Tokyo Japon omaly alahady 3 desambra tamin’ny 3 ora tolakandro eto Madagasikara (7 ora hariva any an-toerana) ny delegasionina Malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Manatanteraka fitsidihana ara-panjakana any an-toerana ny filoha,
notarihin’ny Parlemantera minisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny, Iwao Horii. Miara-dia aminy any an-toerana ny vadiny Voahangy Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka, minisitry ny fanajariana ny tany Benjamina Ramanantsoa, minisitry fambolena sy fiompiana ny Harison Randriarimanana, ny minisitry ny fitaterana Ralava Beboarimisa. Ankoatra azy ireo dia misy ihany koa ireo parlemantera sy mpandraharaha Malagasy ao anatin’ity delegasionina ity. Anio alatsinainy 4 desambra maraina dia hisy ny fitsidihana kaompania goavana roa any an-toerana hataon’ireo delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena ireo. Rahampitso talata 5 desambra kosa no hanatanterahana ny fivoriana lehibe momba ny fandraharahana eo amin’i Madagasikara sy Japon na « Madagascar-Japan Business Forum », ka ny filoha Malagasy no vahiny manankaja manokana nasaina. Horaisin’ny Amperora Akihito ao an-dapany kosa ny filoha Malagasy ny alarobia 6 desambra izao. Amin’io fotoana io no famaranana ny fitsidihan’ireo delegasionina Malagasy any an-toerana. Tsikaritra ho miezaka maka ny fon’ny Tatsinanana ny fanjakana Rajaonarimampianina ankehitriny. Efa nisy ny dia nataon’ny filoha tany Chine, Singapour,… ary izao any Japon izao indray. Anisan’ny ifantohana ny fiaraha-miasa sy ny famatsiam-bola satria mora kokoa ny an’ireo Tatsinanana mitaha ny Eoropeanina, ka rehefa misy bizina sy tombontsoa ho azy ireo, dia hidirany avokoa. Tsy mila antanantohatra sy pitsopitsony maro toy ny an’ny Banky Iraisam-pirenena na ny FMI, ka aleon’ny fanjakana HVM miezaka mitady lalan-kafa. Mety hamotika azy eo amin’ny resaka kajy politika himasoany anefa izany. Tsikaritra ho efa tsy dia mankasitraka azy loatra ireo firenen-dehibe mifamatotra ara-tantara sy ara-politika amintsika, saingy efa mety manana toky amin’ny Tatsinanana izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.