Tontosa ny alarobia alina teo teny amin’ny akany Soafonenako Mandrosoa Ivato ny lanonana lehibe nanakatona ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety,
izay nokarakarain’ny Achropol na fikambanan’ireo mpanao gazety mikirakira ny politika sy ny Holafitry ny mpanao gazety. Tazana teny Mandrosoa Ivato tamin’ny ankapobeny ny solontenan’ireo orinasa fanaovan-gazety an-tsoratra, am-bava sy an-tsary afa-tsy ny sasantsasany izay tsy tonga noho ny antony maro samihafa moa. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fety tamin’io alin’ny alarobia io ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana Narson Rafidimanana, izay nitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa avy amin’ny filoham-pirenena. Nanitrikitra ny minisitra fa misy ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara ary malalaka ny asa fanaovan-gazety. Miezaka ny haha matihanina kokoa hatrany io sehatra io isika, hoy izy ka izany indrindra no handinihana sy handaniana eny amin’ny parlemanta ilay volavolan-dalàna momba ny fifandraisana izay nanaovana an-kiafina teto efa ho 15 taona izao. Te hifanome tanana sy hiara-kiasa amin’ny mpanao gazety ny fitondram-panjakana, hoy ny minisitra Narson Rafidimanana ary azo atao tsara ny mifanampy. Na eo aza anefa izany kabary izany dia mbola tra-pahasahiranana ihany ny mpanao gazety maro rehefa mitrandraka vaovao eny anivon’ireny minisitera sy sampandraharaham-panjakana maro samihafa ireny satria na manidy varavarana tsotra izao ireo tompon’andraikitra na manome vaovao manatsara endrika sy manasohaso ny fitondrana fotsiny, ary tsy mety miresaka firy raha vao raharaha mafampana fa sao bedy, hono. Nanatrika ity lanonana ity ihany koa ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena Nicole Randrianarison sy Mbola Rajaonah na Mbola Tafaray no hahafantaran’ny maro azy. Teo ihany koa ny filoha’ny holafitry ny mpisolovava, ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Paza Didier, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka ny fety.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.