Politique

Fitondrana HVM Matahotra mafy ny mpanao gazety


  • Alarobia 13 Jolay 2016

Nifampiandry hatramin’ny farany ny mpanao gazety sy ny mpitandro ny filaminana omaly nanomboka teny Ankorondrano nisy ny foiben’ny Radio Antsiva nanaovana ilay diabe mangina ho fanoherana ny fandaniana ilay lalàna mifehy ny fifandraisana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny zoma alina lasa teo ka hatreny amin’ny tsangambaton’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eny Soarano

 

 

. Tonga soa aman-tsara teny an-toerana ihany mantsy ny  mpanao gazety na dia nosakanan’ny mpitandro ny filaminana sy nanaovany barazy  mafy mba tsy hivoaka an’Ankorondrano  aza. Tafiditra tao anatin’izany  ny fanakanan’izy ireo  ny lalana rehetra  niditra tao Analakely rehefa tsy nahita vokatra izy ireo. Niafara tamin’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso mihitsy izany mba hanaparitahana ny olona teny Analakely sy Antanimena saingy tsy nampihemotra ny mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena izany. Tokony ho tamin’ny 2 ora folakandro no nitrangan’izany.  Tsiahivina moa fa olon-tsotra sy mpanao politika maro no tonga nanohana ny hetsiky ny mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena  nandritra ity hetsika omaly ity. Tsy hijanona amin’ny tolona ataony ny fianakaviamben’ny mpanao gazety ary manaitra hatrany ny rehetra fa zava-doza hampisavorovoro eto io lalàna Andrianjato mifehy ny fifandraisana io. Tsy maintsy misy anefa ny fandaminana atao ny amin’ny tohin’ny hetsika. Fa etsy an-kilan’izay dia tena nanaratsy endrika tanteraka ny fitondrana Rajaonarimampianina nanoloana ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary ahiana fa mety hisy akony ratsy amin’ny fampianatranoana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia amin’ny volana novambra ny fanakanana ny diabe nokasain’ny mpanao gazety natao omaly iny ary tena namoahana mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana maro be tokoa. Voaporofo tamin’ireny fihetsika ireny ihany koa fa matahotra mafy ny mpanao gazety sy ny hetsika ataony ny fitondram-panjakana

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT