Manamafy ny Me Hanitra Razafimanantsoa, filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, ary efa mpisolovava ny orinasa Tiko nandritra ny taona maro fa tsy naka na nividy tanim-panjakana izany mihitsy ny
Groupe Tiko na dia kely aza. Raha ny tany eny Andohatapenaka izay nalain’ny fanjakana fa hoe hanorenana « gare routière » dia tany novidiana madiodio tamina olon-tsotra io, ary misy taratasy mazava sy ara-dalàna momba ny taratasy famarotana tany azo jerena tsara, hoy ny Me Hanitra.
Fandikan-dalàna
Taorian 'ny fanonganam-panjakana 2009 dia natao fitaovana politika ny fitsarana, hoy ity mpahay lalàna ity. Nalaina an-keriny izay fananan' i Marc Ravalomanana sisa tsy may sy tsy potika. Ny tany nisy ny Magro tapitra nanorenana hopitaly manara-penitra ka anisan’izany ny eny Andohatapenaka izay sady nanaovana ny kianja Maki , ary ambiny sisa tavela ilay tany mena vao nogiazan’ny fanjakana io indray. Tena nisy ny fanararaotam-pahefana sy fandikan-dalàna mihoapampana natao, hoy ny Me Hanitra satria tsy fanao mihitsy izany hoe didim-pitondrana navoakana minisitera no hanafoanana ny « acte de vente » sy ny « titre » ny tanin’olona. Raha te hanafoana izany ny minisitra dia manao fangatahana fanafoanana eny amin’ny fitsarana sivily, ary raha toa ka nofoanan’ ny fitsarana ny « actes de vente » dia miverina amin'ilay tompony nivarotra ny tany fa hoe tsy lasan' ny fanjakana avy hatrany akory, hoy ny fanazavany. Ary na ny orinasa Tiko na Atoa Ravalomanana dia tsy mbola nampahafantarina mazava ny fisian’ilay fanapahana navoakan’ny minisitera io fa dia nambara fotsiny fa efa tanim-panjakana ny eny Andohatapenaka.
Potehana ny Malagasy
Mampametra-panontaniana ny maro tokoa ny zavatra tahaka izao hoe : nahoana ary raha namoahan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany didy ka nalaina avokoa ireo tany lasan’ny vahiny ka nampijaly ny Malagasy ? Sa ve rehefa Karana dia atahorana sy ekena na firy na firy hektara tany alainy, fa rehefa Malagasy dia hanaparam-pahefana sy giazana avy hatrany ? Rehefa Karana ve no milaza hoe ilainay amin’izay ny taninay dia eken’ny fanjakana ka afindra toerana faran’izay haingana ny « gare routière », dia ny tanin’ny Malagasy no robaina ? Dia hitombo ihany izany ny haren’ny Karana eto fa ny mpandraharaha Malagasy miha mahantra sy tsy hanana tany hiasana intsony atsy ho atsy fa tsy maintsy hanofa amin’ny vahiny. Farany, dia ao anatin'ny boriborintany voalohany amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA) io tany eny Andohatapenaka io. Ny lalàna lany tamin’ny desambra 2015 teo dia mazava : ny Kaominina no mikarakara ny « Gare routière ». Ka raha hanorina « Gare routière » vaovao ny minisiteran’ny fanajariana ny tany dia tsy maintsy mifampiraharaha sy miara-miasa amin’ny kaominina, izay ilay hoe fanjakana tan-dalàna.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.