Politique

Fitondrana HVM Manjaka ny tsy fifampitokisana


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Hita ho kaodikaody be ihany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao ankatoky ny fifidianana izao raha ny fihetsiny tato ho ato no jerena.

 

 Maro ireo rafitra ara-panjakana niha nanakatom-baravarana mba tsy hahatafavoahan’ireo vaovao heverina fa mety hahatafaporitsaka ireo tsiambaratelo hanala baraka kokoa ny fitondrana toy ny tamin’ireo raharaha Houcine Arfa sy Claudine Razaimamonjy ireny. Tsiliam-baovao no nandrenesana maro amin’ireo mponina ao an-dapa no ahiana hamoaka ireo tsiambaratelo goavana na any amin’ny minisitera io na any amin’ny antenimiera. Tsy vao izao fa nahalasa saina ny mpanara-baovao, ohatra, ny zava-nitranga nahazo ny minisitra misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena teo aloha, Narson Rafidimanana, izay nanasonia fiaraha-miasa maro tamin’ireo kely maso saingy dia iny voatsoka iny ihany moa. Ny vaovao mafana rahateo matoa mivoaka dia vakiana fotsiny fa tsy avy any an-kafa akory no nipoirany fa tsy maintsy avy any an-doharano hatrany. Manomboka manjaka ny tsy fifampitokisana ao anaty fitondrana HVM, araka izany, ary raha ny heno dia nisy mihitsy ny minisitra iray izay nampanantsoina matetika tany an-dapa tany nanaovana fanadihadiana tsotsotra. Maro amin’ireo tandapa rahateo no efa miezaka manao fihetsiketsehana toa mitory sahady fa anisan’ny hifaninana ny ho tompon’Iavoloha atsy ho atsy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT