Nandrorona tanteraka ny firenena malagasy nandritra izay efa-taona nitondran’ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) azy izay. Efa tsapa aloha fa ny fisian’ilay « Ni…Ni »
tamin’ny taona 2013 izay nahatonga olona iray ho lasa filoham-pirenena koa dia iny izy iny. Nahazo tsirony ny manodidina azy koa dia mba nanararaotra, saingy toa hisy ihany ny farany ary eo no hisy safidy roa : miala fa voky na mifikitra amin’ny seza. Raha ny fandehany, ilay safidy faharoa no hisy. Koa dia mitady ny fomba rehetra hanohizana ny fitondrana ny HVM. Efa mahazatra an-dRamalagasy izany saingy ny loza miha fadiranovana ny vahoaka fa ireo mpitondra miha botrabotra sy mitsamboaboatra ! “Tsy mbola nisy ohatr’ity”, hoy ny maro. Asa na lamaody na fitiavam-bola diso tafahoatra fa dia avela mampiasa na ny marina kokoa manadio vola eto izao vahiny tsy fanta-piaviana rehetra izao. Porofon’izany ireo Pakistaney mpanafatra sy mpampiditra vary efa lo eto amintsika. Ny fifidianana efa manakaiky dia toa mbola mampirisika ny hafa ho avy eto amin’ny fanohanana kandidà na izatsy na zaroa. Raha lany io tohanany io dia hahazo laka eto izy amin’ny fangalana tany na fitrandrahana harena fa ny firenena Malagasy dia paiso amoron-kady. Vao herinandro vitsy lasa izay dia nisy masoivoho vahiny iray nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao ary dia nampanantena ny hanampy antsika amin’ny fifidianana saingy tena izany ve no tena tanjony ? Sa ny hisakana antsika tsy ho mpamokatra solika satria io no tena vokatra mampalaza azy eran-tany ka sao isika lasa mpifaninana hanelingelina an-dry zareo ? Mandrora mitsilany ny HVM satria dia miditra kizo noho ny kiry te hijanona mafy eo amin’ny fitondrana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.