Politique

Fitondrana HVM Manararao-pesta


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2017

Ny volana aogositra 2017 teo no nanomboka tafiditra teto amintsika ny valan’aretina pesta saingy somary nafenimpenina tamin’izany, raha fintinina ireo fampitam-baovao.

Efa antenantenan’ny volana septambra teo vao nipoitra tsikelikely fa hay efa manomboka mandripaka tsikelikely ny Malagasy ilay aretina. Efa ho 1 volana izao dia mbola saika io aretina io hatrany no lasa matoam-baovaon’ireo haino aman-jery eto Madagasikara. Toa zary takona hatreto ireo antsojay politika mihatra amin’ireo kandida hita ho matanjaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy. Tsiahivina fa ny herinandro teo, ohatra, dia tonga saika hanapaka ny rano eo anivon’ny orinasa Tiko AAA ao Antsirabe ny olona maromaro nilaza ho iraky ny fanjakana foibe avy aty Antananarivo saingy rehefa tsy nanana taratasy mampiseho ny naha iraka azy moa dia voasakana ihany. Ny sabotsy teo dia tontosa ihany ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoham-pokontany ao Ankazo, kaominin’i Mahitsy sy ny sefo fokontany vaovao notendren’ny fitondram-panjakana na dia efa ireo vohitra rehetra mandrafitra ny fokontany aza no voalaza fa nitsipaka izany.

Manararao-pesta

Mitady hitombina, araka izany, ny ahiahin’ireo olom-pirenena sy mpandinika sasany ny amin’ny hoe sao dia nanararaotra ny fisian’ny pesta mba hanodinana ny sain’ny olona tsy hifantoka amin’ny raharaham-pirenena sy ny politika ny fitondram-panjakana ? Haratsiana sy tsy avela hiasa malalaka ihany koa ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary dia hizotra any amin’ny fanitsiana an-keriny ny lalàmpanorenana ihany koa ato ho ato ny filoham-pirenena sy ny ekipany mba hananany herijika avo noho ireo kandida hafa rehetra. Sahiran-tsaina amin’ny pesta sy ny tapim-bava ary ny fitadiavana fanafody ny Malagasy ka mety tsy havitrika intsony any amin’ny resaka fitokonana sy fitakiana dia hihanjahanja irery eo ny sendika sy ny mpanohitra. Milamin-tsaina ho azy ny mpitondra ary efa manomana ny hoaviny.


J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT