Politique

Fitondrana HVM Mampidi-doza noho ny FAT


  • Zoma 18 Martsa 2016

Rehefa natao ny fanadihadiana dia voahodidina teknisianina, manampahaizana sy olona tena be diplaoma ny filohan’ny repoblika ao an-dapa ao,

 

 tsy latsa-danja noho izany koa anefa ny ankamaroan’ireo minisitra ao anaty governemanta. Tena mahagaga anefa fa tsy mety tafarina i Madagasikara, roa taona sy tapany ihany izay no dila fa toa mihodinkodina am-pitoerana eto fotsiny, ary lasa resa-be ny hoe fanovana sy fampandrosoana.

Akamakama sy kolikoly

Ny mifanohitra amin’izay aza no mitranga, efa zary mahazatra ny mandre fa nisy fianakaviana akaikin’ny mpitondra ambony manondrana volamena na vatosoa an-tsokosoko, ny resaka fitrandrahana vatosoa sy fandrombahana karieran’olona ataona manampahefana na ny fianakaviany dia misy foana. Rehefa miresaka trafikana boaderôzy dia tsy maintsy misy anarana olona ambony voatonontonona ao, ny fanondranana olona hiasa any ivelany, dia misy manampahefana voaresaka foana ao. Fanavotana olo-meloka eny amin’ny fitsarana, dia misy dian-tanan’olona manampahefana eto amin’ny tany sy ny fanjakana foana. Nisy ny Malagasy mba nanantena fiovana tokoa taorian’ny fifidianana tamin’ny 2013 , saingy diso fanantenana tanteraka ankehitriny mahita ny afitsoky ny HVM sy ny ekipany. Vao miha aza zava-doza noho ny nataon’ny fitondrana FAT no iainana ankehitriny, hoy ny raim-pianakaviana iray mitazona toerana ambony amina ministera iray. Mitohy ary vao miha aza tena niroborobo ny afera maizina sy fandrobana ny harem-pirenena. Olom-bitsy no mahazo tombontsoa amin’io, kabary no tena betsaka fa tsy misy ny fandraisana fepetra hentitra tena ataon’ny fanjakana. Nitombo indray aza ny anaran’olona ao anatin’ilay lisitry ny mpanao aferana boaderôzy. Resaka kiantranoantrano, fanjakan’ny akamakama no misy. Misy haino aman-jery mijoro tampoka izany, dia mody lazaina fa fahazoan-dalana efa taloha be io. Hanaovana antsojay ny mpandraharaha Malagasy raha vao tsy misolelaka amin’ny mpitondra, omena vahana hampiasa tany sy hitrandraka eto ny vahiny. Tefena tsimoramora hanaiky fifidianana tsy mivantana ny vahoaka, amin’izay angamba mpifidy lehibe no hifidy filoham-pirenena eto amin’ny 2018, dia efa mazava be ny handresy. Misy antony matoa mbola mailomailo amin’ny fitondrana HVM ny mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa. Tsy mbola voavaha ny krizy ary tena ambony be ny erijika hisian’ny fipoahana ara-tsosialy sy kirzy politika hafa indray eto Madagasikara, raha izao no mitohy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT