Politique

Fitondrana HVM Jadona hatramin’ny farany


  • Alakamisy 27 Jolay 2017

Efa nampoizina ny zavatra mety hiseho amin’ny fanakanana hatrany ny hetsiky ny antoko Tiako I Madagasikara hankalaza ny faha-15 taona nijoroany eny Mahamasina ny 29 jolay izao.

Re izao fa holavin’ny prefektiora sy ny OMC, izay ahitana ny mpitandro filaminana sy ny solotenan’ny Minisiteran’ny fitsarana indray ny fangatahana napetraky ny Birao politikan’ity antoko ity ny 21 jolay teo, na dia tsy mbola nisy aza aloha ny fanambarana ofisialy momba izany hatreto. Tsiahivina fa efa nandresy teo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana ny TIM ny 7 jolay teo, ka tokony afaka nankalaza ny hetsika tao Mahamasina ny 8 jolay, saingy didim-pitondrana navoakan’ny prefektiora no nenti-nanakana ny fanatanterahana didim-pitsarana, izay zavatra tsy fahita eto ambonin’ny tany, saingy miseho eto Madagasikara. Nitory teny anivon’ny filankevi-panjakana indray ny antoko, ary mbola nahazo rariny, ka napetraka indray ny fangatahana hanao ny fankalazana. Nalefa niteniteny tamina haino aman-jery aloha ny mpikarama an’ady politika samihafa mba hanaratsy sy hiantso fandrarana ny TIM, ary ny farany, dia ny Filohan’ny HVM mihitsy no nijoro sy niteny. Na tsy Rivo Rakotovao sy ny antokony aza no nandefasana ny taratasy fangatahana, dia izy no efa nanao fanambarana voalohany sy toa efa namaly fa tsy homena alalana ny TIM. Niezaka nanaraka ny lalàna sy lamina hatrany anefa i Marc Ravalomanana sy ny ekipany.

Jadona hatramin’ny farany

Tsy misy fanehoan-kevitra malalaka azo hantenaina intsony eto mandra-pirodan’ny fanjakana HVM eo amin’ny toerany, raha jerena amin’izao antsojay mahazo ny Antoko Tiako I Madagasikara izao. Izay mihetsika dia hosakanana sy hopotehina avokoa, ary mety hiafara amin’ny fampiasan-kerin’ny fitondrana mihitsy. Hanakana sy handrara izay hery politika mety hanembatsembana azy sisa anjara adidin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, fa raha izay hamaha olana eto amin’ny firenena dia nofinofy. Manangam-pahavalo sy miantso biby hanaikitra, hoy ny fitenenana. Toa ny filoha ankehitriny mihitsy no hajabaka ao anatin’ny tantara satria vao mainka hamotika sy hampitombo ny fankahalam-bahoaka azy sy ny antokony izany. Hany herin’ny fitondrana dia ny manao don-tandroka ary manomana ny kajy maloto rehetra hahafahana mamotika ny mpifanandrina aminy eto amin’ny firenena mba hifikirana amin’ny fahefana. 


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT