Efa eo am-pialana aina ny fanjakana ankehitriny saingy mbola minia be hevitra mba hiarovana ny fahefana. Atao daholo izay tetikady maloto sy hevitra bontolo hahafahana mibodo io fahefana io.
Ankehitriny, miezaka mangeja ny zava-drehetra ny fitondram-panjakana. Ny mpanao gazety fehezina amin’ny alalan’ilay lalàm-pamoretan’ny serasera, ny olona te haneho hevitra tsenaina amin’ny lakrimôzenin’ny emmo reg, ny mpandraharaha mety manana ny maha izy azy hofinganina amin’ilay fitsarana manokana momba ny heloka ara-toekarena sy ara-ketra terena ho lany eny amin’ny antenimieram-pirenena tahaka ny lalàna mifehy ny serasera. Ny vahoaka ampiesonina amin’ny kabary tsara lahatra, ilay fanafoanana ny delestazy ao anatin’ny 3 volana nambaran’ny filoha tamin’ny 25 janoary 2014 teny Mahamasina, tsy hita akory izay vokany roa taona sy tapany aty aoriana.
Tsy mahavita azy intsony
Maro be ny herivelona eto amin’ny firenena nanaitra ny fitondram-panjakana amin’ireo tsy mety sy tandrametaka hitantanana ny firenena, saingy manao be marenina hatrany ny manampahefana. Angamba mahatoky ny foloalindahy izay manana fitaovam-piadiana ka heveriny fa afaka miaro azy. Efa tena ambony be anefa ny maripanan’ny fahasosoran’ny Malagasy amin’ny mpitondra fanjakana noho ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro sy ny tsy fisian’ny vahaolana mahomby. Efa sady tsy ampy sakafo no mbola voaporitra ny vahoaka hany ka tsy atahorana hanao fihetsehana lehibe, izany angamba no antony tsy mampihetsi-bolomaso ny mpitondra fanjakana manoloana izao fahoriana izao. Izy ireo rahateo moa manampahefana sy efa nahangona betsaka ka mahatoky tena tsy ho azon’aloka sy tsy azo hozongozonina. Miantehitra amin’ny foloalindahy anefa sisa ny fitondrana HVM raha ny fahitana azy fa raha ny hevitry ny vahoaka tsotra, ny antoko politika, fikambanana isan-tsokajiny, firaisamonim-pirenena dia efa tsy mahavita azy intsony ary tsy vahaolana azo ianteherana hanarina an’i Madagasikara izao fitondran-dRajaonarimampianina izao.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.