Nanamafy ny fitarainany ho kely karama sy ratsy karakara indrindra eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny randrambaon’ny sendikan’ny mpiasa na ny SSM, tetsy Antaninarenina, ireo mpiasam-panjakana ny fiafaran’ny taona 2017.
Anton’ny fitohizan’izany tamin’ireo hetsika fanairana natombok’izy ireo ny herinandro teo izany. Tsy vao izao no nitaraina ho nanana olana ny mpiasam-panjakana malagasy fa isan’ny fitarainana efa re matetika avy amin’izy ireo matetika koa ny karazana tsindry maro samihafa avy amin’ny lehibeny. Tsaroan’ny mpanara-baovao tsara ny resabe naterak’ilay vaovao niely fa noterena hiakatra teto an-drenivohitra avokoa ireo mpampianatra FRAM nampiakarina ho mpiasam-panjakana an’alin-kisa ny taon-dasa ihany kanefa izy ireo anatin’ny fahasahiranana toy ny vahoaka tsy mandady harona rehetra. Nitovitovy tamin’izany koa ny zava-nitranga nahazo ireo talena CEG sy EPP nialoha ilay fizarana « Kit scolaire » 60.000 isa nataon’ny filoham-pirenena teny Antsonjombe ny novambra lasa teo, raha ny fanadihadiana natao. Re koa izao fa nisy sonia natao nanery an-kolaka ireo fikambanam-behivavy sasany isam-paritra ho tonga teny Anosy niaraka nankalaza ny andron’ny vehivavy tamin’ny fitondram-panjakana ny 8 martsa teo. Isaky ny misy hetsika ilan’izao fitondrana izao ny mpiasam-panjakana izany dia toy izany hatrany ny paikadin’ny fitondrana HVM. Manoloana izany tery vay manta apetraka rehetra izany anefa dia karama sy asa tapaka no mba setriny omen’ny fitondrana ireo mpiasam-panjakana. Tsy mahagaga raha mandeha ny resaka fa hafa noho izay efa nisy mihitsy ity fitondrana ity. Ny asa tsy mandeha, ny teritery amin’ny mpiasa anefa tsy zaka intsony. Lasan’ny mena ambonin’ny mena ny tsena rehetra. Teny feno avona no asetrin’ireo manampahefana ny fangatahana sy fitakiana, ahiana hipoaka ihany ny farany ny sarom-bilanin’ireo mpiasam-panjakana satria efa tena tsy zaka intsony, hoy izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.