Politique

Fitondrana HVM Afabaraka tanteraka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena


  • Alakamisy 25 Janoary 2018

Tsy maharototra ny mpanara-baovao loatra intsony ny fanazavana nomen’ny minisitry ny fitsarana, Rasolo Elise Alexandrine, mikasika ny valin-teniny ny alahady teo momba ny fiampangan’ilay teratany frantsay nandositra ho nanao kolikolina 70.000 Euros taminy.

Tsy novalian’ny minisitra nivantana rahateo ny mikasika ny fandraisana na tsia io vola io. Nanaitra kosa ny fehezanteny hoe « Mbola matoky ahy ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra », izay toy ny milaza ambadika fa tsy hametra-pialana izy na efa nangina herinandro aza taorian’ny fiampangana ny tenany. Sao dia izay ihany koa ary no mahatonga ny praiminisitra, Mahafaly Solonandrasana, mamerimberina lalandava fa matoky azy ny filoham-pirenena na dia teo aza ireo fiampangana marobe mikasika ny tenany sy ny minisitera tantaniny malaza amin’ny resaka fanodinkodinana tsenam-panjakana ? Raha ny zava-misy dia miroso hatrany amin’ny fiantsoana fahafaham-baraka ny fitondram-panjakana ankehitriny satria na dia teo aza ny fanambaran’ny minisitry ny fitsarana fa hitory manoloana ireo fiampangana azy dia manao tohivakana kosa ny ampamoaka hataon’ílay vahiny nolazaina fa toriana eo amin’ny sehatra iraisampirenena izay tsy voasambotra hatramin’ízao.

Haino aman-jery iraisampirenena

Hotorian-dramatoa minisitra koa ve ireo haino aman-jery namoaka ny vaovao sy ampamoaka nataon’ity gadra nandositra ity ? Mailaka ery ny minisitry raharaham-bahiny malagasy, Henry Rabary Njaka, nanitrikitrika tamin’ny haino aman-jery fa raha tena lasa any Frantsa tokoa i Houcine Arfa dia tokony hiseho amin’ny fahitalavitra fa any an-toerana. Efa  orinasan-tserasera frantsay malaza 2 dia ny Le parisien sy RTL no namoaka ny vaovao sy nipoirany tamin’ny voalohany. Avy eo niresaka azy koa ny  RFI. Na ahoana na ahoana resahana, maloto tanteraka eo imason’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana HVM tarihan’i Hery Rajaonarimampianina. Manam-boninahitra mpitandro filaminana misahana toerana ambony eto amin’ny firenena sy tomponandraikim-panjakana maro ihany koa no re ankehitriny fa niray tsikombakomba tamin’ny famoahana ity frantsay ity teto. Mampametra-panontaniana koa ny mikasika ny filazana fa 25 ihany no mpanolontsain’ny filoham-pirenena malagasy, Hery Rajaonarimampianina, rehefa niely ny vaovao fa isan’ireo mpanolontsain’ny filoha ity bokonozatra frantsay ity. Inona ary no antony tsy amoahana ankarihary ny lisitr’ireo 25 isa ireo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT