Politique

Fitondrana FAT Tahotra no betsaka


  • Zoma 10 Febroary 2012

Midika ho fahatahorana ny fianakaviana Marc Ravalomanana ny fanakanana tamin’ny NOTAM indray ny fiverenana an-tanindrazana nokasain’i Neny Lalao Ravalomanana tamin’ny sabotsy 04 febroary teo, hoy ny Vehivavy Tiako i Madagasikara raha namory mpanao gazety tetsy Bel’Air omaly.

 Marihina, hoy izy ireo fa tsy voarohirohy ary madio tsy misy kianina eo anatrehan’ny fitsarana malagasy izy ary hitondra ny anjara birikiny indray amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy sy ny vahoaka malagasy izay efa latsaka anaty lavaka mangitsokitsoka ka angatahanay marindrano ny fiverenan-dRtoa Lalao Ravalomanana an-tanindrazana miaraka amin’ny ankohonany. Mikasika ny fanamarihana ny 7 febroary nanaovana sorona olona teny Ambohitsorohitra dia natao izay hanosoram-potaka ny filoha Ravalomanana tsy manana zo hibaiko ny mpiambina Lapa nefa tsy nojerena sy tsy nasian-teny akory ireo maty sy lasa lavenona ary tsy hita faty tamin’ny fandoroana fananan’olona sy fananam-panjakana tamin’ny 26 janoary 2009 ka mangataka ny fianakavian’izy ireo ny Vehivavy Tiako i Madagasiakara mba hametraka fitoriana mikasika iny raharaha iny. Nanamafy koa ny Vehivavy Tiako i Madagasikara fa ny sori-dalana ihany ary tsy miova ny fitakiana ny fampiharana ny andininy rehetra ao anatin’izany indrindra ny andininy faha-20 milaza ny tokony hiverenan’ny sesitany politika tsy misy fepetra eto an-tanindrazana ka anisan’izany ny Filoha Marc Ravalomanana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT