Raha tsy teo ny tolona nataon’ireo mpandala ny ara-dalàna dia efa nanjakazan-dRajoelina tsy nisy toa izany ny firenena, hoy Raveloson Constant tamin’ireo mpiara-dia taminy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, omaly.
Vokatry ny tolona anefa hoy i Constant dia i Andry Rajoelina sy ireo miaramilany sisa no mihanjahanja mamikitra amin’ny seza manao izay hampitarazoka ny krizy. Na izany aza «tsipindy» sisa dia mifarana io, hoy izy. Momba ny tsy fandriampahalemana any Atsimo indray dia nanitrikitrika Raveloson Constant fa «io fitondrana io no nampiroborobo ny dahalo, ary tsy rôle ny miaramila raha tsy eo anatrehan’ny vehivavy iray malemy». Raha tsy fitondrana ankatoavin’ny Gasy rehetra no eo dia tsy hisy hasiny izay mitondra eo fa dia hahazo vahana ny ratsy, ny dahalo, ny mpandoro tanety, hoy ihany Raveloson Constant. “Efa firy volana aty aorian’ny nahitana fa misy Remenabila vao mihetsika i Andry Rajoelina ?”, hoy ity farany. Midika izany fa “mety aminy ny fisian-dRamenabila”. Ny zava-misy koa, hoy i Constant dia ampahadimin’ny miaramila miaro an’Ambohitsorohitra no alefa any Atsimo.
Ankoatra izay dia fanontaniana samihafa no napetrak’i Constant hivoahan’ny marina momba ny hoe tena nomena fanantenana marina ve i Thailande fa hahazo hitrandraka ny “uranium” any asimo ? Marina koa ve fa atao izay hitsoahan’ny olona any atsimo hidiran’ny vahiny hitrandraka harena ankibon’ny tany ? Momba ny mety handehanan-dRajoelina any New York indray, dia asa, hoy izy raha hahazo hiteny ary raha hahazo micro dia sahy hiteny ny momba ny nosy Juan de Nova ve satria tsy maintsy hisy resaka momba io any.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.