Efa akaiky ny farany ! Efa manambara an’izany avokoa ny marika rehetra miseho amin’izao fotoana raha tsy hilaza afa tsy ny fivorivoriana miaramila etsy sy eroa ary saika isan’andro.
Eo ihany koa ny fandrahonan’ny fikambanamben’ny mpiasam-panjakana ny amin’ny handraisan’ireo fepetra raha tsy milamina faran’izay haingana ny raharaha. Ireo aza dia nametraka ny fitoriany an’ny FAT teny amin’ny Fampanoavana mihitsy noho ny fanaparam-pahefana izay midika ho tsy fanajana ny zon’ny mpiasa, ny tsy fandriampahelamana, ny kolikoly ataon’ireo olona ambony, ny halatra hazo sarobidy ary koa ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena. Hita tao anatin’io fitoriana io ihany koa ny fivoahan’ny volam-panjakana tsy amin’antony ary koa ny resaka fananan-tany. Omaly dia mbola nanazava ireo mpikambana fa mitaky avy hatrany ny fialan’ny olon’ny FAT rehetra, hatrany amin’ny Filohany ka hatrany amin’ny governemantany. Eo ihany koa ny fandravana ny andrim-panjakana dia
Omaly koa dia mbola nisy ihany fivoriana miaramila teny Andohalo, fivoriana izay saika isan’andro no handrenesana an’izany amin’ny toerana samihafa. Dia mbola omaly ihany koa no nihaona mangingina teny Ivandry eny i Andry Rajoelina sy ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène. Misy hifandraisany avokoa izany rehetra izany fa tsy tongatonga ho azy. Ara-politika dia efa mananontanona ny fiafaran’ny FAT. Mazava ny resaka fa leo tanteraka koa ny mpijery manoloana ny sarimihetsika izay tsy miova mihitsy nandritr’izay telo taona izay. Mbola azo hanaporofoana an’izany fiafaran’ny FAT izany koa aza ny naneken’ny antoko maro, nanohana an’i Andry Rajoelina hatrizay, ny hiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana …
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.