Ho feno 10 taona amin’ity taona ity ny antoko politika Natiora tarihin’ny filohany, Mihari Ni Recho.
Hanana kandida miisa 5 izy ireo amin’ny fifidianana depiote ho avy io ary hiezaka ihany koa hanamarika izay tsingerintaona izay. Mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny dia fisamborana, hoy hatrany izy, no hita misongadina ary heno fa mbola maromaro ireo ho avy. Mahagaga fa firenena no resahana kanefa toa fanapahan-kevitra maika foana no atao. Mbola ny lalàna mikasika ny fifidianana tamin’ny 2018 ihany no ao amin’ny CENI, hoy izy, raha nandalo teny ny tena kanefa ny tomponandraikitra dia nilaza fa tokony hisy ny fiovana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.