Mpaka tahaka ! Nanamarika ity fitondrana Rajaonarimampianina ity izany. Ny andro voalohan’ny fitondrany dia nahoraka sady nigagam-bahoaka ilay kabary natao nipoapoaka teo Mahamasina ny 25 janoary 2014,
hay nalain-tahaka tamin’ny kabarin’ny filoha frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy. Dia izao mitohy mandrak’ankehitriny izao, ary miendrika fifaninanana aza izany indrindra raha tarafina amin’ny ataon’ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, sy ny ekipany amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Efa nahatsikaiky ny rehetra ihany ny nahita azy mirahalahy ireto nifaninana nanao “selfie” tamin’ireo vahoaka niara-nilalao teny amin’ny torapasik’Antsiranana ny volana aogositra tamin’ity taona ity nandritry ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM na Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Mbola mahatsikaiky lavitra kokoa anefa ny mahatsikaritra fa ny filoham-pirenena ankehitriny dia miezaka hatrany maka tahaka izay hetsika rehetra ataon’ity filoha teo aloha ity. Nankalaza ny faha-15 taona nisiany ny antoko Tiako I Madagasikara, ary natao nitety faritra izany, fa izay goavana indrindra dia ilay nokasaina hatao tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 8 jolay 2017 saingy nataon’ny fitondrana tamin’ny fomba rehetra ny nanakana azy tsy ho tontosa. Noraran’ny fitondrana toy izany koa ny fankalazana saika natao tany Mahajanga andro vitsy taorian’izay. Fikasan’ny filohan’ny TIM, Marc Ravalomanana, ny hitety faritra hankalaza izany dia toy ny nahita hevitra hanao kaongresy mitety faritra tampoka teo koa ny HVM ary dia mbola Mahajanga ihany koa no safidy. Amin’izao fotoana izao dia fandaharanasan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, voafidy tamin’ny anaran’ny Tiako I Madagasikara, ny hizara zavatra ilaina amin’ny andavanandro ho an’ireo sahirana isaky ny Boriborintany eto Antananarivo Renivohitra dia tampoka eo koa dia nahita hevitra hamory ireo birao HVM isaky ny fokontany ihany koa, iny omaly iny, ny antoko HVM ary nampitondra fanomezana ho an’ireo sahirana. Ny hany tsy vitan’ny filoha ankehitriny kosa angamba dia ny fahaizan’ny filoha Ravalomanana milaza zavatra amin’ny fomba mahatsikaiky nefa mitombina ary tian’ny vahoaka sy hitan’izy ireo fa mitombina. Tsy hitan’ny radaran’ny fahaiza-mitarika (leadership) aty Afrika ihany koa ny filoha ankehitriny raha toa isan’ireo voafantina anaty lisitr’ireo olo-mendrika afrikanina ny filoha Marc Ravalomanana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.