Tsy dia mahagaga firy raha mbola malaina ny ho avy eto amintsika ireo mpampiasa vola vahiny, ary tena mihisatra ny fahatongavan'ny fanampian'ny avy any ivelany, satria tena gaboraraka tanteraka ny eto Madagasikara ary anjakan'ny varomaizina sy ny trafika isan-karazany.
Nandritra izao fitondrana tetezamita izao no tena nalaza ratsy tamin'ny fanimbana tontolo iainana sy fanondranana boaderozy i Madagasikara, ary maro ny anarana mpitondra ambony, mpanao politika ary mpandraharaha manana ny maha izy azy, voatonona ao anatin'izany. Hatramin'izao dia mbola misy sahy manapaka sy manondrana boaderozy ihany any amin'ny faritr’i SAVA iny na dia voararan'ny lalàna aza izany. Mirongatra ihany koa ny aferana volamena tato anatin'ny telo taona izay. Nisy aloha ny fanafihana ireo mpitrandraka tany amin'iny faritr’i Maevatanàna iny, niroborobo avy eo ny mpividy volamena tsy manarapenitra isaky ny elakela-trano sy ny arabe, dia ireny volamena maro be tratra teny Ivato ireny fa saika haondrana any ivelany. Mbola ao koa ny resaka vato sarobidy tahaka ny tourmaline any Ikalamavony, izay tsy fantatra mazava ny lalàna mifehy ny fitrandrahana sy ny famarotana azy. Misy koa aza ny milaza fa efa manondrana an-tsokosoko merkiora ihany koa ny olona sasany, any ambadibadika any.
Ny halatra sy ny fisolokiana moa dia efa zary lasa fanampin-tsakafo isan'andro eto. Ao ny entana mivoaka, fa misy koa ny miditra, tahaka ny rongony mahery vaika, ny fitaovam-piadiana, ny entana lany daty manginy fotsiny. Misy ihany ny olon-dratsy ambara fa voasambotra, kanefa dia toa vao mainka aza mitombo indray ny asan-jiolahy, ka tsy miafina na tonga tampoka intsony izy ireo ankehitriny, fa efa mampilaza mialoha ny fiaviany amin'ny alalan'ny trakta, ary misy aza ny mamaky trano, mamono olona, no sady mbola mahavita mahandro sakafo sy mipetrapetraka ao amin'ilay trano robaina.
Miha mahatsiravina hatrany ny famonoan'olona mitranga. Hita fa tena tsy mandaitra amin'ireo jiolahy intsony ny fandrahonana isaky ny mihetsika ataon'ny mpitandro ny filaminana, fa nahoana ary ? Matoa misy ny mangalatra sy mivarotra dia misy ny mpividy, raha misy ny mpiasa manatanteraka ny halatra, dia tsy maintsy misy koa ny lehibe mpaniraka, ary eo indrindra koa ny mpanome vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ilay "operation". Midika izany fa efa jiolahy matihanina manana drafitrasa ireny manafika etsy sy eroa ireny, ary azo eritreretina mihitsy aza fa misy mpiaro matanjaka. Fanovana no nampanantenaina teto, telo taona lasa izay, saingy efa manakaiky ny any amin'ny afobe ny fiainana isan'andro ankehitriny, manjaka ny ratsy ary tena mandry an-driran'antsy ny vahoaka. Koa tsy izany ve ilay antsoina hoe tetezamitan'ny faharatsiana sy ny trafika e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.