Politique

Fitondran-dRajaonarimampianina Lany andro manantena


  • Alarobia 16 Martsa 2016

Mbola loza miantona eo an-tampon-dohan’ny filoham-pirenena ny raharahan’Anjozorobe nahavoatonontonona ny zanany.

 

 Andrasana izay vokatry ny fanadihadiana mba hamantarana ny tena marina, raha tsy hampanginina tsimoramora indray. Efa resaka hatry ny ela tsy afaka am-bavan’ny mpanara-baovao ihany koa ny momba an-dRamatoa Voahangy Rajaonarimampianina vadin’ny filoham-pirenena izay malaza fa tena manana anjara toerana lehibe amin’ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena. Tsy tambo isaina ny fitarainana amina resaka fanaparam-pahefana ataon’ny manampahefana eto amintsika, ny resaka tsolotra sy kolikoly, ny fisian’ny olona voatendry ho mpiasam-panjakana ambony noho ny aferafera fa tsy araka ny fahaizana amam-pahalalany akory. Tsy mila manampahaizana fa ny rehetra dia efa mahatsapa fa ratsy tantana ny firenena ary miaina ao anatin’ny gaboraraka isan’andro ny eto. Mifangaro ny aferan’ny fianakaviana sy ny fitantanana ny firenena. Io no mampalaina ireo mpamatsy vola ho avy eto. Tsy misy zavatra azo antoka eto, be loatra ny kolikoly ary lohalaharana amin’izany ny mpitondra. Herintaona mahery aty aoriana, tsy misy ny vola hanatanterahana ilay PND, fandaharanasan’ny fitondram-panjakana HVM. Mihitsoka ny raharaha ary mbola mitaky ny hampiharana hatramin’ny farany ny tondrozotra aloha ny sehatra iraisam-pirenena, miandry ny tohin’ny fampihavanam-pirenena, izay vao mety hanapa-kevitra ny hanampy ara-bola amin’ny fanarenana an’i Madagasikara. Fomba fanao ara-diplaomatika ny sonia sy fapanantenana, izany tsy midika fa hivoaka amin’ny herinandro na afaka iray volana tokoa ny vola. Azo raisina porofo, ohatra, ny fanampian’ny eoropeanina amin’ny alalan’ny FED andiany faha-11, nosoniavina tany Bruxelles tamin’ny faramparan’ny volana novambra 2015, vola 518 tapitrisa euros ampiasaina mandritra ny 5 taona izy ity, saingy tsy hita popoka ny tohiny hatramin’izao. Toa lany andro manantena ity fitondrana ity kanefa raha tsy manova fomba fiasa sy tena manatsara ny fitantanany dia tsy hahazo fanampiana eo mihitsy na ny ariary aza.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT