Politique

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa


  • Zoma 17 Janoary 2020

Manomboka lany andro manazava sy mandresy lahatra ity fitondram-panjakana mijoro eto Madagasikara ity.

 

 

 

 

Misy fotoana aza moa rehefa mihaino ny kabarin’ny filoham-pirenena dia tahaka ireny any anaty propagandy ireny. Fantatra ihany koa fa sahirana amin’ny fandrafetana ny ekipa hiasa ny fitondrana MAPAR IRD, efa tsy fantatra mazava intsony koa izay tena anaran’ilay antoko. Dia io iaraha-mahita io fa mitady olona, resy lahatra amin’ny vinan’ny filoha sy ny IEM mba hiasa anaty rafi-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asa. Efa nambara tany amin’ny 2018 tany anefa fa 4 taona no niomanan’i Andry Rajoelina, ary efa vonona ny programa sy ny ekipa ary ny mpiara-miombon’antoka sy ireo mpamatsy vola. Nahoraka be rehefa lany ny filoha ny tetikasa goavana Tanamasoandro, hoe fanorenana tanàna vaovao, 1000 Ha ny velaran-tany nambara fa hampiasaina. Nisy ny fifamaliana, ny fanoherana sy ny savorovoro dia tapaka fa ho 300 Ha mahery kely indray aloha no hatao ary efa mandeha ny fifampiresahana, misy ny olona efa nanaiky hivarotra ny taniny ary ho tonga teny amin’ilay « guichet unique » eny amin’ny village Voara. Na ny filoham-pirenena aza dia nanazava tamin’ny andinindininy momba azy io mihitsy tamina fandaharana manokana, ka nisy ampahany naverimberina tamin’ny haino aman-jerim-panjakana isan’andro avy eo. Natao ny kabary faran’ny taona tamin’ny 31 desambra 2019, tsy nisy resaka Tanamasoandro intsony, fanorenana Building 38 isa eny Ivato ary mitohy amin’ny fanamboarana ny kianjaben’i Mahamasina indray ny resaka. Misesisesy miteny amin’ny gazety sy haino aman-jery, any anaty tambajotran-tserasera ireo manampahefana sy ny mpomba ny fitondrana ary manizingizina fa misy fandaminana arahana fa tsy maintsy vita ny Tanamasoandro. Mifanasa vangy amin’ireo olona mety tsy mitovy hevitra aminy mihitsy izy ireo. Na tanimbary 1m² aza anefa tsy mbola voatototra hatramin’izao janoary 2020 izao. Etsy an-kilan’izay lasa lamaody ny fanaovana kianja manara-penitra isam-paritra. Miovaova ny laharam-pahamehana, manomboka fanina ny olona. Efa tsy resahana intsony ny momba ilay « puce » atao amin’ny omby sy ny « Drone » hitsirika ny dahalo. Tahaka ny endrika ivelany arahana serasera mipoapoaka no tena kapoakan’ity fitondrana ity fa raha asa mivaingana ho amin’ny tombontsoa iombonana sy hanarenana ny toekarem-pirenena aloha, tsy mbola hita misongadina hatreto…ary tena miha sahirana ny olona amin’ny fiainany andavanandro.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT