Tsy nohenoin’ny mpitantana ny firenena mihitsy ny fitakian’ireo firaisa-monina sivily sy ny sehatra tsy miankina tao anatin’ny 4 taona nitondran’ny fanjakana Hery Vaovao hoan’i Madagasikara, hoy ny mpanoratra politika Toavina Ralambomahay.
Hery velona goavana eto Madagasikara mandrafitra ny ampahany betsaka amin’ny olom-pirenena mpifidy anefa ireo vondron-kery roa misongadina eto amin’ny firenena ireo. Tsy iadian-kevitra ny fahefana ara-bola sy ny tanjaka ara-panahy eo am-pelatanan’ny firaisamonim-pirenena sy ny sehatra tsy miankina. Tokony hanatona sy hiara-kiasa amin’ny antoko mitovy hevitra aminy na manangana antoko sendikaly toy ny fahita any Angletera sy Alemana izy ireo, hoy ity mpanohitra ny fitondrana HVM ity. Mila mitodika amin’ny vahoaka tompon’ny fahefana ihany koa ireo fitakiana samihafa avy amin’ny SMM, ny CENI na koa ny BIANCO. Andraikitry ny fitondrana mahefa avokoa moa ireo rafitra samihafa mijoro ireo, hoy i Toavina Ralambomahay. Ny antony dia satria tsy mahatoky ny fanjakana ny vahoaka, araka ny fanamarihany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.