Azo atao hoe nahomby ihany ny fitokonana fanairana nataon'ireo mpiasam-panjakana ambony omaly alakamisy 22 desambra.
Nanapa-kevitra ny hanao “service minimum” isaky sehatr'asa misy azy ireo ihany moa ireto mpiasam-panjakana ambony ireto araka ny fanazavan'izy ireo. Nomarihan'izy ireo koa fa tsy sanatria fanapotehana ny firenena no tanjona fa kosa fanairana ny mpitondra manoloana ny fisian'ny gaboraraka etsy sy eroa, ka manimbazimba ny hasin'ny asam-panjakana. Na dia nanitrikitrika aza izy ireo fa tsy misy ambadika politika izao hetsika izao, dia maro ihany no lasa saina fa sao dia misy ambadika politika ary, izao hetsika izao. Tsy tokony hadino tokoa mantsy fa anisan'ireo manohana ny hanatanterahana ilay fihaonana an-tampony novisavisain'ny amiraly Ratsiraka hampihaonana ny mpanao politika rehetra miaraka amin’ireo filoha nifandimby teto, ity vondron'ny mpiasam-panjakana ambony ity. Mitaky vahaolana matotra sy mahomby izy ireo ary mihatra haingana. Hita anefa fa ho sarotra ho an'ny fitondrana tetezamita ny hanatanteraka izany, ary dia iny efa valiteny hafahafa iny moa no nomen'ny praiminisitra afak’omaly sy ny filohan’ny FAT omaly iny.
Tsikaritra ihany koa fa diso famindra ny FAT raha nanangana ilay governemanta faharoa notantanan'i Camille Vital, tamin'ny martsa 2011, ka somary nanilika ihany ireo mpiasam-panjakana ambony, fa nanome vahana loatra ny mpanao politika mpamadika palitao. Efa nampiaka-peo ihany moa ireo administratera sivily tamin'ny nanendrena an'i Manorohanta Cécile hiandraikitra ny ministeran'ny atitany mialohan'io. Mijanona ho tombatombana avokoa moa izany rehetra izany, fa ny azo antoka fotsiny dia mahalala tsara ny zavatra ataony ireto mpiasam-panjakana ambony ireto ary efa manana planina hanatanterahana ny fitakiany.
Hery goavana mampiodina ny fanjakana izany hoe mpitsara, injeniera, administratera sivily, mpitsabo, mpampianatra mpikaroka eny amin'ny oniversite ka ho sarotra ho an'ny fitondrana tetezamita ihany ny hanao valy boraingina na hody fanina amin'ny fitakian'izy ireo, fa tena mety hiteraka voka-dratsy ho an'ny mpitondra fanjakana izany. Henkakenjam-pitenenana ihany omaly Atoa Andry Rajoelina manoloana ireo karazana fitakiana ireo, ary nilaza fa afaka mandray andraikitra tsara ny tenany rehefa tsy handray ny andraikiny ny hafa. Karazana tsindry paingotra ho an'ny praiminisitra Beriziky ihany izany, ary manaporofo indray fa misy krizy koa ao ambonimbony ao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.