Politique

Fitokanana ny «Unité Spéciale Anti-Dahalo» Nanaovan’ny depiote Nicolas fangalapiery


  • Sabotsy 25 Jona 2016

Nanaitra ireo Raiamandreny tany amin’ny distrikan’i Betroka ny fihetsiky ny Solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas nandritra ny fitokanan’ny filoham-pirenena ilay toby vaovaon’ny zandary

 

« Unité Spéciale Anti-Dahalo » tao amin’ny Kaominin’i Mahabo, izay ao anatin’ny distrikan’i Betroka nahavoafidy azy. Tsy tonga nanatrika io lanonam-pitokanana io tany Mahabo Atoa Randrianasolo Jean Nicolas fa naleony niara-nilanonana tamina fikambanam-behivavy iray tao an-tampon-tanànan’i Betroka. Ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas anefa no filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Ny andro nitokanana ny tobin’ny USAD io ihany moa no nitokanana ny trano fandidiana tao amin’ny hopitaliben’i Betroka, ary dia teo izy. Ilay fanokanana ilay tobin’ny USAD mihitsy ve izany no tsy tiany fa inona no antony ?

Kaominina akaiky ny sisin-tany mampisaraka an’i Betroka amin’i Befotaka, Vangaindrano ary Midongy Atsimo i Mahabo, ary tena nanjakan’ny dahalo. Ny nahatongavan’ny kolonely Lylison René de Rolland na i “Bevolotagna” tamin’ny andron’ny FIS sy ny kolonely Mamy Marly avy amin’ny CFS Ivato, ny kolonely Balbine ary ny jeneraly Aubain dia namongotra ireo dahalo sy namono nahafaty an’i Remenabila sy ny namany dia izao izy miverina izao indray.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT