Politique

Fitokanana ny kianjan’ny demokrasia Ho tsarovana rahampitso


  • Alatsinainy 16 Janoary 2017

Ny zoma teo no tafapetraka teo anivon’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra etsy amin’ny lapan’ny tanŕna Analakely ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana voalohany hanatanteraka fotoam-pahatsiarovana ny nametrahana ny kianjan’ny demokrasia eo Ambohijatovo ny talata ho avy izao manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 11 ora.

Ilay hetsika politika RMTF moa na ny rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana no nisantatra azy ity ary hisantatra ihany koa ny fivoriana voalohany eny amin’izay kianjan’ny demokrasia izay raha toa ka azo soa aman-tsara ny alalana. Raha ny fanazavan’ny mpitarika ny hetsika, ny pasitera Edouard Tsarahame, dia hetsika am-pilaminana sy demokratika no atao ary ny avy eo anivon’ny kaominina ihany, amin’ny maha reny sy tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny tanànan’Antananarivo azy no hangatahana ny alalana. Naneho ny heviny ihany koa moa ny RMTF mikasika ny fahitany iny taon-dasa iny ary dia nilaza fa ny hany nahitana ny filoham-pirenena ho tompon’andraikitra dia tsy nisy afa tsy ny frankofonia sy comesa ihany.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT