Politique

Fitiavan-tanindrazana Mila alain-tahaka ny Amerikana


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Na inona na inona tsy fitiavan’ny Amerikana sasany ny filohany Donald Trump dia hita ny firaisankina.

Manoloana ny zava-misy ankehitriny mahakasika ny disadisa amin’ny firenena Iraniana dia ankavitsiana ary zara raha misy ny amerikana manome tsiny ny filohany. Hita taratra ny firaisana sy ny fitiavan-tanindrazana ka na inona na inona fanapahan-kevitra lehibe dia iaraha-mizaka ny vokany. Mafy ary matotra ny fanaovana politika sy toekarena amerikana. Efa manorisory ny firenena arabo maro, ohatra, ny fiarovana sy ny fiandanian’ny amerikana amin’ny Israeliana na dia efa misy fotoana aza tena diso i Israel saingy tsy mivadibadika ny fanapahan-kevitra. Raha mba tahaka itony ny firaisan-tsaina sy ny fitiavan-tanindrazana eto Madagasikara dia handroso vetivety ny firenena. Ny zavatra tsapa dia mifamingampingana ary tsy misy manaiky diso ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara. Ankoatra izay dia mangatsiaka ny fifandraisana ary ny fieboeboana sy ny fisehosehoana ary ny tsindrio fa lavo no misy eto ka na hisy hanafika aza ny firenena dia ahiana ho samy hanavotra ny tenany fotsiny ny Malagasy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT