6 andro tsy hirosoana amin`ny latsa-bato amin`ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina eto Madagasikara dia tsy mbola tonga eny
anivon`ny fokontany ireo fitaovana ampiasaina amin`izany. Tsara ny manamarika fa ny lisitry ny mpifidy, ny vata fandatsaham-bato, ny ranomainty, ireo antontan-taratsy ampiasaina mandritra ny andron`ny fifidianana no andrasan`ireo birao fandatsaham-bato manerana ny nosy. Efa vonona amin`ny fiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna ny eny anivon`ny fokontany, fa ireo fitaovana sisa andrasana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.