Mandray ny andraikiny mitandrifyazy ve ireo nomem-pahefana tsirairay ?
Tsy misy fepetra raisin`ny governemanta Ntsay Christian amin`ny fampandrosoana ny firenena. Hatraiza ny tsyfahafantaran` ny firenenamisyazy ? Mitranga ny lafin-javatra samihafa teto amin`ny firenena saingy tsy mitsangana ireo minisitrra mandrayvahaolana akory mandritra. Misy ny raharaha nitranga fa taiza avokoa ireo minisitra ireo ? Vitsy ireo minisitra no hita maneho ny heviny eny amin`ny haino aman-jerymitondra fanazavana. Nandritra izay 9 volana naha teo azy izay dia maro no moana kanefa efa ao amin`ny ankatoky ny famaranana ilay “contrat-programme” napetraky ny Filoha Rajoelina. Inona marina no nataon`izy ireo nandritra izay sivy volana izay ? Niezaka ve nidina teny an-kianja ka nanatanteraka nyvelirano ? Raha ny lojika dia tsy ny filoham-pirenena no tokony hanatanteraka ny velirano mantsy fa ny governemanta izay misahana ny fanatanterahana ny politika ankapoben`nyfanjakana. Vahaolana tokoa ve ireo minisitra ireo sa tena olana ho an`nyfirenena ? Na ireo solombavambahoakaeo anivon`nymaro an`isa aza efa manomboka mitsikera toa an`i AndryRatsivahiny, NaivoRaholdinina. Andrasana ho mafyvenytsikeravaohiasa? Gazety iray mivoaka isan’andro no nitsikera ireo minisitra sasantsany ka anisany ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoran`afo, VonjyAndriamanga. Voatsikera mafy ka nisazy ny kaompanian-tsolika roa noho ny filazana fa ny famatsiana solika tsy lavorary. Mipetraka ihany ny fanontaniana: hita ny tsy fahombiazana dia mody miasa avy eo ? Fotoana izao andraisan`ny filoham-pirenena fanapahan-kevitra manoloana tsy fandraisana andraikitraa taon`ireo tomponandraikitra izay nomena fahefana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.