Tsy mora ny mitondra firenena. Matoa anefa miditra eo dia mila mahavita fa tsy lany andro miala bala toy ny ataon’ny fanjakana HVM.
Tsy misy ny fahaiza-mitarika sy fahaiza-mitantana, kanefa ity fanjakana ity angamba no tsy dia nahitana ankolafin-kery na mpanohitra matanjaka nanenjika na namingana azy indrindra fa mamingan-tena tsotr’izao. Efa ny tsy fahafehezana firenena mihitsy no manjaka, ka dia tsy misy mandeha amin’ny laoniny fa miaina amin’ny vahaolana petatoko sy famonoana afo lava. Midangana ny vidim-piainana, asondrotra ny vidin-jiro, tsy voafehy ny vidim-bary, akarina ny vidin-tsolika ... Ny fiatrehana ireny aza tsy vita sy tsy hahitam-bahaolana kanefa dia mbola sahy mirehareha sy milingilingy amin’ny ambara fa vina « Fisandratana 2030 » hampisandratana an’i Madagasikara. Seho ivelany no betsaka, mba hakana ny fon’ny vahoaka, hany ka ny fanamboarana ny zaridainan’ny farihin’Anosy sy Mahamasina no handaniana volabe 7,5 miliara. Tsy ratsy ireny, saingy izay ilay tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahaiza-mijery ny laharam-pahamehana satria ny kajikajy politika sy ny seho ivelany no betsaka. Ny resaka diplomasia sy fandresen-dahatra ny mpamatsy vola moa dia sasatry ny mandany vola mankany ivelany. Voatety ny lafivalon’izao tontolo izao tao anatin’ny 4 taona mahery, saingy tsy hita izay vokatra. Tsy azo ny volabe 10,6 miliara dolara nampanantenain’ny Frantsay. Inona no fiantraikan’ny fitsidihana tamim-pomba ofisialy tany Sina, izay nireharehana fa hanampy antsika ny sinoa ? Nitondra inona ny fitsidihana tany Italie nisian’ilay atrikasa ekonomika, kanefa hatramin’ny fiara nitondra ilay vehivavy malaza iray aza nandaniana 25 000Euros ? Mihevitra ve ny HVM fa hiova hevitra ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola raha mbola izy no lany eo ? Tsia avy hatrany no valiny ary mifampiresaka sy manao vazaha mody miady hatrany ireo. Aotra ny naotin’ny HVM raha fahaiza-mitantana sy diplomasia, fa tompondaka kosa amin’ny kimaizimaizina sy ny kolikoly ary ny kajy maloto ara-politika. Toa tsy hita izay maha samihafa azy tamin’ny fanjakana tetezamita, izay nosokajian’ny sehatra iraisam-pirenena ho “sans qualité” na tsy misy kalitao. Tsy mba mahay manaja tena mihitsy ve ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.